Taom-baovao malagasy

A. TENY FAMPIDIRANA

Haiko loatra ny hambom-po nikatsahana azy. Efa aman-taona aho no isan’ireo nitaky ny fisiany. Naman’ireo, ihany koa, nangataka mba hanaovana azy ho «andro tsy fiasana anefa andraisan-karama». Ireo alahatro etsy ambany ireo ny lahatsoratra tao anatin’izay dimy taona farany izay. 

«Taom-baovao malagasy» : tahaka ny fisian’ny an’ny Sinoa, manetriketrika maneran-tany, saingy adinon’ny Sinoa Gasy ny manatsidika azy eto Madagasikara. Tahaka ny an’ny Silamo izay vao naiditra ho anaty kalendrie ôfisialy malagasy. Tahaka ny an’ny Indiana Hindo, marobe eto Madagasikara, anefa tsy manana lobbying hiady ho azy anatrehin’ny Governemanta na anivon’ny Antenimiera. Tahaka ny an’ny Ôrthôdôksa, izay manana Fiangonana eto, anefa tsy raikitra anaty kalendrie malagasy ihany koa. Na ny an’ny Jiosy, izay lazaina fa fiavian’ny fomba maro amin’ny Malagasy, anefa tsy omen-kaja araka izany. 

Haiko loatra ihany koa anefa, mazava dia mazava, ny hoe «Lohataona», faritan’ny toetr’andro araka ny jeografia misy an’i Madagasikara. Volana septambra amin’ny fanisana gregoriana ny «printemps» eto Madagasikara. Tsy misy idiran’ny fivavahan’iza na iza izany, tsy misy fifangaroana amin’ny fanandroana na sikidy na avy aiza na avy aiza. Masoandro, Tany ary fambolena Vary. 

Izao volana martsa itsahintsika izao, amin’ny kalendrie gregoriana, dia «Fararano» araka ny toetr’andro sy toe-tany (eto Imerina ihany ve ?). Volana aprily, 2022 sy 2023, aho nanoratra mbola tsy nitsahatra nijojo ny ranonorana. Mbola tsy «fara-rano» izany. 

Raha «taom-baovao» izany, tsy vitan’ny Fanjakana satria ny vahoaka isan-tokantrano no manasina azy. Ny «taona fodilahimena», izay katsahiko, dia tsy manaraka Alahamady-Adimizana, na Janoary-Febroary. Notanako kosa ny fanisana faha-Vazimba (na efa mety ho ela taloha azy) hoe «Asara» (orana) sy «Asotry» (maina) satria dia mazava fa tsy fivavahana fa toetrandro-toetany. 

11 martsa 2024 aho manoratra. Mbola ireo am-baravarankely ireo ny fodilahimena, 

mifandraoka miady toerana, miady fotsimbary (nomeko), miady vavy. 

B. ZAVA-TSORATRA

28 septambra 2023, «Ny taona fodilahimena»

Nahita fodilahi-efa-ho-mena sahady indray aho, efatra andro taorian’ny «équinoxe». Fa inona moa izany «équinoxe» izany tamin’ny Ntaolo, izay tsy niresaka mihitsy ny hoe «Tropique du Capricorne» ? Na ny razan’ny mponin’i Vangaindrano sy Toliara, faritra tena manitsaka izany «trôpika» izany aza, moa nahafantatra izay fisiany akory ? Hatramin’ny ny anarana omena ny «capricorne» mantsy no hita hoe voambolana notefitefena taty amin’ny taonjato faha-20 : «zana-pehitany adijady». Saika herintaona (18 septambra 2022) tahaka izao ilay lahatsoratra «Fodilahimena mitafy jaky lohataona» : «Voron-kely mahafatifaty ahy mihitsy ny fodilahimena. Asa ny ambiaty, famantaran-taona (zahao «Teny Gasy : Ririnina sa Lohataona : ambiaty, famantaran-taona», 17 septambra 2022), raha marim-potoana any an-tsaha any, fa ny fodilahy mby ho mena, manambara fa atsy ho atsy ny lohataona» (...) Ao alatrano ao, toa tsy tapa-kevitra ho lohataona. Maloka, manerika, mangatsiaka. Isika olombelona no manaraka kalendrie, izay mety efa nilaozan’ny «changement climatique», fa ny fodilahimena sy ny vakiambiaty fambara tsy voafitaka. (...) Enimbolana lasa, tamin’ny 21 aprily 2023, aho nanoratra hoe «Fararano : ambaran’ny fody sy ny vakiambiaty». Tamin’izany, folo andro taorian’ny Paska, mbola nahitana «fodilahimena miteronterona mampidera jaky». 21 aprily - 27 septambra : raha ny fodilahimena izany no arahana, dia io ny tapa-taona. 

Ireto, sy ny namany hafa tsy tratra antso, angamba arakitra ho boky : 

17 septambra 2022, «Ririnina sa Lohataona: ambiaty, famantaran-taona»

18 septambra 2022, «Fodilahimena mitafy jaky lohataona»

21 aprily 2023, «Fararano : ambaran’ny fody sy ny vakiambiaty»

D. SORATRA MITOETRA

01 jolay 2014, «Ambiaty, mahalala am-pon’ny lanitra»

Nandeha ny fitenenana sy fiarahabana hoe «tratry ny asaramanitra» nandritra ireny fankalazana ny fetin’ny 26 jiona ireny. Fa inona, ary rahoviana ny «asaramanitra», hoy ny eritreritro satria na izay mankalaza ireo «taombaovao» (daty mbola iadivana), na ny mpanao fety rehefa ankatoky ny 31 desambra, dia samy miantso «asaramanitra» avokoa. (...) Ny diksionera Abinal-Malzac (1888) sy Dama-Ntsoha (1951) dia mampifandray ny «asaramanitra» sy ny Fandroana. Ny «asara» manokana indray dia lazain’i Dama-Ntsoha fa vanin-taonan’orana, ary fetin’i Vishnou any India. Raha ny fanadihadiana nataon’i Jean-Claude Hébert dia nizara roa lehibe ny taona dia ny «asara» (oranandro) andaniny, «asotry» (hainandro) ankilany. Saika manerana ny Nosy, na dia tsy mitovy aza ny alimanaka noho ny toetr’andro sy ny toe-tany samy hafa, dia mifandraika amin’ny volana Aogositra-Septambra ny «lohataona», izany hoe «voalohan’ny taona». Lohataona hoy ny Merina, Tsimihety, Antankarana, Betsileo, Betsimisaraka, Bara, Antaivondro, Antaisaka, Antandroy, Sakalava, Vezo, «faosa» izy any an-tSakalava), «volambita» amin’ny Betsimisaraka sasany, «sakave» raha ny Antaisaka, «asaramanty» any Mahafaly (Jean-Claude Hébert, Les calendriers saisonniers à Madagascar, Bulletin de Madagascar, janvier 1968, n°260, pp.42-85). 

Misy zavamaniry iray tena mpaminany ny fiavian’io lohataona io dia ny ambiaty : «rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty, aorian’ny «vary aloha», izay afafy aorianakelin’ny fararanom-bakinambiaty (volana mai)» (Firaketana). Misy ohabolan’ny Ntaolo nanamarika izany toerana manokan’ny ambiaty izany : «Manan-jara samy hazo ny ambiaty : nahazo to amin’Andriamanitra ka nataon’ny olona famantaran-taona», «Ny ambiaty, mahita ny ao ampon’ny lanitra», «Aza manao tahaka ny ambiaty, mahalala taona, fa tsy misy hotazana».  

5 martsa 2019, «Aleo manontanintany foana toy izay manaotao foana»

Amin’ny fiteny taloha dia misy ny hoe «fararanom-bari-aloha» sy ny «fararanom-bakiambiaty». Hoy ny Firaketana (I, 300 sy 301) : «AMBIATY : Rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty aorian’ny varialoha izay afafy aoriana kelin’ny fararanom-bakiambiaty volana mai (...) miomana hamafy ny vary vakiambiaty faramparan’ny volana juillet». Misy oha-pitenena ihany koa, «Erika mamonto ambiaty» : ilay ranonorana mikija amin’ny tsinam-bolana août, amin’ny fanetsam-barialoha sy ny fiomanana amin’ny famafazan-ketsam-bary vakiambiaty». Oha-pitenena hafa, «Ny ambiaty va no tsy mahalala taona sa ny ranonorana no manao vatravatra : mahasadaikatra raha mbola avy ny orana anefa ny ambiaty dia mpamony alohan’ny firotsahan’ny ranonorana mampisara-taona». Hoy ny Rakibolana (Régis Rajemisa-Raolison, 1985): «VARY VAKY AMBIATY, vary afafy amin’ny fivelaran’ny vonin’ny ambiaty, izany hoe amin’ny volana septambra, mifanohitra amin’ny atao hoe VARY ALOHA izay afafy amin’ny volana avrily sy mey». 

Raha fehezina avokoa izay voaangona tamin’ny 1885 (Richardson), 1888 (Abinal-Malzac), 1939 (Firaketana) ary 1985 (Rakibolana) dia misy fararanom-bary roa izany eto Imerina satria mamafy sy manetsa indroa. (...) Fararanom-bari-aloha, Fararanom-bary vakiambiaty: azoko ekana tsara mihitsy ny fampifanojona ny zavatra rehetra atao amin’ny toe-tany sy ny toetrandro misy ny Nosintsika fa tsy hanara-kefa ny fanaon’ny hafa fotsiny (ohatra : fête de la musique, 21 jiona, ao anaty hatsiaka mamirifiry aty amintsika anefa any Eoropa izy io dia fetin’ny Masoandro ; ohatra : hanao rebareba Dadabe Noely, akanjo ririnina, anefa ny antsika 25 desambra izany, tsy azo iainana ny hafanana). Noho izany indrindra ary no mahavelom-panontaniana ahy : raha fararano roa sosona, moa ve izany taombaovao roa sosona ?

7 aprily 2023, «Fodilahimena miala jaky, fa hoe fararano ?»

Vanimpotoana inona isika izao no toa mainka mamonto tany ny rano ? Setrin’ny «Fodilahimena mitafy jaky lohataona», nosoratako tamin’ny septambra 2022, tonga ity ny «Fodilahy miala jaky fararano» : ao alatrano ao, volana aprily 2023 isika ity, mbola misy «Fodilahimena, jila sy tia riaria». Ankoatra ny ambiaty, famantaran’ny Ntaolo ny taona, indrindra fambolena, toa ho lasa mpamantatra kalendrie ihany koa ireto fodilahimena tsy tia hahalala fararano ireto.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne