Iza no olona... ?

Saika nihenjan-droa ny tady. Ankasitrahana, noho izany, ny ezaka fampifanatonana (manatona fa tsy ho diso tsipelina hoe «manantona») eo ambany fiahian’ny FFKM sy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. 

Tononona hoe «hery velona» moa ireo olona asaina. Isan’izany, voatonona manokana ny fiangonana zandriny, raiamandreny ara-drazana, silamo. Asa, raha anatin’ny «sy ny sisa» ny finoana hafa lalain’ny «Karana Hindoa». Misy firy izao ny «Ortôdôksa» eto Madagasikara : nisy maromaro ireo Grika (feon’anarana anglisy fa tsy feon’anarana frantsay, ka azo heverina ho nahazatra ny Gasy talohan’ny nahatongavan’ny Frantsay ve ?), ireo Grika nalaza talohan’ ny 1972-1975. 

Asa, ihany koa, aiza no toerana iheverantsika ny fivavahana jiosy anefa tsy vitsy amin’ny Gasy no mihevitra fa misy fototra jiosy ny Kolontsaina malagasy. Ny sira no taloha, izay vao ny siramamy. «Sira» no foto-teny nialohavan’ny voambolana ho famaritana. Raha ny mamy, tantely no mby am-bavan’ny Ntaolo voalohany fa tsy sira-mamy. 

Ianareo no fanasin’ny tany (Matio 5:13) ; Ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin’ny fanasina (Marka 9:50) ; Mpitsara 9:45, dika-tenin’i Griffiths : «dia nandrava ny tanàna izy ; ka namafy iny tamy ny fanasina». 

Tsetsatsetra tsy aritra ho lasa ambetin-dresaka. «Toa- masina», hoy hono Radama rehefa avy nanandrana ny rano-masina, tamin’ny jolay 1817. 

Ny fehim-pihavanana, «Brite Melah», eo amin’ny Jiosy sy «Ilay-tsy-tononona» dia afaka adika hoe «fehy ara-tsira», «fehy masina». Ranoro, zanak’Andriantsira, niverina amin’ny taniny, izany hoe ny rano, rehefa niafina tao Mamba. Mivatsy sira ny Jiosy rehefa hanao fanolorana, ho famantarana hoe doria, soa-mandrakizay tahaka ny sira, izay tsy mety simba. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne