Noho ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pandrosoana, hany ka zary «ambanivohitra» avokoa vao miala kely an’Antananarivo-Renivohitra, eny fa na mbola eto ankibon’Imerina aza, dia tonga mivangongo eto Antananarivo avokoa ny ampaha-folon’ny Malagasy telopolo tapitrisa.
Antananarivo-Renivohitra no tena mivesatra ny tsy zakan’ny ainy intsony (tefitefy amin’ny Trano Gasy, fahirano, fahoriana herinaratra, fifanitsahan-kitro). Saingy ilay antsoina hoe «Grand Tana», dia tsy inona fa ireo vohitra manodidina ary ny tanimbary momba azy, dia efa voasaringotra nifindran’ny aretin’Antananarivo-Renivohitra.
«Tsy Antananarivo irery i Madagasikara», marina tokoa. Saingy, adinon’ireo manondro molotra an’Antananarivo fa Antananarivo-Renivohitra manokana, ary ankibon’Imerina amin’ny ankapobeny, no simba tantara indrindra amin’ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Tsy nangataka io teleferika io Antananarivo ; tsy nangataka io «zavatra» ao Anatirova io Antananarivo; tsy nangataka «kianja barea» Antananarivo : ankoatra ny fanafintohinana, raha ny trosa nidirana tamin’ireo naleoko, izaho Ambaniandro, nanamboarana foto-drafitr’asa maharitra tany Betsileo, tany Antsihanaka, tany Antsakalava, etsetra.
Aoka tsy ho adino fa saika hilingilingy hametraka io teleferika io teny Andohalo ny Mpitondra teo aloha. Andohalo sy ny Vohitra ambony izay mody adinodino hatrany ny tokony hanajana azy ho ZPPAUP («zone de protection du patrimoine architectural, urbain et paysager»). Ankoatra ny tranon’olon-tsotra manimba ny endrika ara-tantara ary tsy manaja ny endrika ara-kolontsaina, dia ny Fanjakana mihitsy eto Madagasikara no jiolahimboto voalohany mpandravarava ny Vakoka, indrindra ara-Tantara.
Misy maneso ny Tantara ary miteny ratsy ny Fanjakan’Andriana : hatreto anefa, 130 taona aty aorian’ny nandefasana sesitany ny Mpanjakavavy farany, mbola ny sarin’i Manjakamiadana-mifono-vato, araka ny nampanaovan-dRanavalona II azy an’i James Cameron, no sary malaza indrindra entina maneho an’Antananarivo sy Madagasikara : na tamin’ny lelavola 100 francs taona 1950 na lelavola 500 ariary tamin’ny 1998 ; na hajia takalombola tamin’ny Fanjanahantany na ny hajia 1971 nahatsiarovana ny jeneraly de Gaulle ; na «carte postale» na sikotra na haingon-trano. Toa manambara fa tsy misy zava-bitan’ny Repoblika ka tafahoatra ny lazan’i Lapa Manjakamiadana, hatramin’ny 1880.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja