Vaky ny fasanay eny Ambohitrain’Amoronkay. Ny Zandary tokony hanao ny fanadihadiana, nianto-bilona niakatra an-dRenivohitra satria nampanantsoina hanidy an’Ambondrona, Soarano, Antsahabe, izay samy vavahadin’Ambohijatovo sy Analakely.
Ny karazan’olona manana fisainana mahavita mamaky fasana sy mangalatra taolam-paty dia mitovy amin’ny karazan’olona mandroba China Mall, Cosmos, Colisée, Tana Waterfront, supermarchés isan-karazany. Tsy hanin-katao hahavoky azy mianakavy akory, hanina nangalarina no hamahanan-janaka, fanaka nangalarina no hanaingoina tokan-trano. Dia toe-tsaina inona moa izany no hantenaina hifampitaizana amin’izany ?
Dia mbola karazan’olona tahaka izany, miha maro an’isa isan’andro, no tolorana ny demokrasia sy ny zo hifidy karazan’olom-boafidy mitovy fanahy aminy. Mety efa am-polo-taona maro angamba no niotrika izao fahalovana izao, saingy nirongatra mafo indrindra tao anatin’izay eninambinifolo taona farany izay.
26 janoary 2009 - 25 septambra 2025 : alfa sy omega hivesatra henatra eo amin’ny Tantara. Mandra-piandry, isika rehetra aloha no mihosotra arina an-tava imason’izao tontolo izao. «Mihetsika indray ny tromban’ny Gasy», «Tsy mety fay mihitsy», «Firenena voaozona angamba», «Efa tafidina amin’ny ambany indrindra fa mbola mahavita mandavaka handevin-tena».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja