(Tohiny)
Indro fomba fiteny dimy maha fanina ny Vahiny amin’ny fomba fisainantsika. 1) Amin’ny fiteny MAINTI-molaly, ny raiamandreny lehibe no antsoina hoe FOTSI-volo. 2) Ny FOTSImbary dia izay vary voatoto, na dia vary MENA aza. 3) Mamotsifotsy Fotsy volo = maniratsira raiamandreny. 4) Hajao ny FOTSY volo amin’ny Tany na dia efa olo-MANGA mbola MAITSO volo aza ny tena. 5) Sora-tononina saro-tononina : Fototsofin’Ifotsy, FOTSY ; Ifotsy, FOTSY foto-tsofina...Ifotsy eto dia ny zanakavavy mazava hoditra.
Fanina ny Vahiny na ireo Gasy tsy zatra intsony, satria tena nandaitra ny politikan’ny teny tamin’i Gallieni moa ny Gasy nanimba ny Fanagasiana. Fanina, indrindra raha mbola zarazaraina indray ny hevitra hoe mety ho tsara ny fotsy (fotsivolo = raiamandreny, fotsy kotro = tany masaka, lonaka, mahavokatra), mety ho ratsy ihany koa (fotsy feo = mamalan-kira, fotsy rora = tsy misy mihaino)...
Mivolon-dronono, rahompotsy, vovohan-dandihazo, diavolana, oram-panala : manopy fotsy avokoa ireo. Izay Fotsifotsy, tsy tena fotsy, fa mivolon-dronono. Ny Fotsy fiaka : tsy tena fotsy madio fa somary mavo na haboka tanora. Ny Fotsy mavo dia fotsy mifangaro vony tanora. Fotsy mangatsakatsaka (tena fotsy madio), fotsy botsiaka (fotsy botsiaka), fotsy mangatsohatso (fotsy mazava), fotsy manjopiaka (fotsy mangirana ka mamiratra nony tarafin’ny hazavana), fotsy ranoiray (fotsy tsy misy pentina). Hafahafa noho iretsy voalohany kosa ireto manaraka ireto : fotsy vasoka, fotsy mangavoka, fotsy bobo, fotsy botsatsaka, fotsy hatsatra.
Fa na izaho koa aza fanina raha ho tanisaina eto daholo ny volon’ny omby : sada, sadabe, sadamanga, sadamaitso, sadamavo, sadamena, sadavolavita... Fanina tanteraka Mompera Dubois (Monographie des Betsileo, 1938, pp.482-487) ka nataony hoe «Daltoniens angamba ireto Betsileo ireto»...
Ho fahafinaretan’ny maso sy ny sofina, satria mihira ny teny gasy, indro tononkalo roa hifanaovam-beloma an-doko.
Ny fomba firentin’ny loko niely
Ny mena dorehitra zary tanora
Dia toy ny takolak’ireo zazakely
Ny volomparasy nanombana manga
Toa lamba fitafin’ny zanak’andriana
Ny jaky nisoratra soa vangavanga
Dia loko tsy hita amin’ny sora-jandiana
Voleo voninkazo eo ambonin’ny lohako
Fotsy sy Mavo ary Manga sy Mena
Ny Fotsy ho marik’ilay fahadiovana
Fotsy madio, fa tsy azo lotoina
Ny endriny Mavo ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Ny Manga ho marik’ilay fihafiana
Niaraha-nitondra ny zava-mangidy
Ny Mena no taratry ny Afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin’ny foko
(«Rehefa maty a ho», Jasmina Ratsimiseta, 1890-1946)
Nasolo-Valiavo Andriamihaja