Taona 2024 : voatery ampianarina ve hoe «abri-bus» dia fiandrasana bus fa tsy parking ho an’ny scooters, tahaka izay voatery narenina teny Ankatso ? Ary rahoviana ihany koa no ho fantatr’ireo mpivarotra eo Mahamasina fa tsy fanantonana entam-barotra na famelarana tsena ihany koa ny «abri-bus» ?
Taona 1970 aho no teraka, nitaingina «autobus». Ary-fomba ny fiara, nahalala fomba ny mpandeha, nanaja ny «arrêt bus» na ny mpamily na ireo olona hidina na hiakatra. Nilamina, hatramin’ny taona 1989, tany ho any. Nandra-pahatongan’ny fifandrombahana hiditra anaty Antafita/Fibata/Fima. Tsy nisy intsony ny fanajana filaharana. Foana ny antra amin’ny zaza amam-behivavy. Nodian-tsy hita ny henamaso ireo be antitra.
Taona 2024 : ambenana tahaka ny omby ireo zatra mamelatra tsena sady ladina an-tany no anaty arabe, etsy Ampasampito. Afahitra tahaka izany ihany koa ireo taxibe zatra mijanona fahatany amin’izay itiavany azy. Mpihavana ara-pitaizana iretsy sy ireo.
Tao anatin’izay 35 taona farany izay tokoa moa izany no nikororosy tahaka izao ny toe-tsaina teto amin’ny firenena. Dimiambitelopolo taona niterahana, nitaizan-janaka, nifandimbiasan-dratsy.
Zavatra faran’izay tsotra, mahagaga ary raha mbola voatery anterina : sakafo ho hanina ve dia amidy (na vidiana) amin’ny tany, mifangaro amin’ny vovoka, fotaka, diky sy amany ; mahatsiravina sady havoretràna ary mety ho areti-mifindra ny mandrora, mandrehoka, manisin-delo, etsy sy eroa ; vavahadin’olona ve dia ho bahanana, tambohon’olona ve dia hanantonana entana ; afovoan’arabe ve dia fanariana ny rano avy nanasam-bilia tamin’ny vary mitsangana...
Fanabeazana fototra. Eto ambany masoko ny «Andeha hianatra izahay : fianarana mamaky teny sy manisa, taona voalohany», boky nosoratan-dRamatoa Razafintsalama Rabenjamina Lucie (1920-2003). Raha olona teraka 1920 izany, mbola nandray fitaizana sy fahalalana ary firesaka tamin’ny raiamandreny olon’ny taonjato faha-19. Ny taona 1979 no nivoaka ity boky ity : mbola miresaka vorona (domohina, triotrio, papango, fodilahimena, railovy, kankafotra, takatra, tsintsina) ; mbola mitanisa ho tena ambanivohitra izany Lazaina sy Ambohitromby ary Ambohimanga izany ; mbola mandahatra Anganon’ny Ntaolo (Imaitsoanala, Darafify, Ikotofetsy sy Imahakà, Raomby sy Ramboa ary Ralambo, Ny sahona sy ny lambo).
Ao anatin’io boky io dia misy anatra madinidinika eny antsefatsefany eny. «Ireo ny savony sy ny rano, sasao ny tavanao sy ny tananao» (takila 23), «Raràna ny mitabataba manodidina ny sekoly» (takila 29), «Iza no anaran’ise ? - Solofo, tompoko - Solofo iza ? - Solofo Rampanarivo, tompoko» (takila 46), «Aza tetezinareo toy io ny tambohon’olona, tsy fomba izao» (takila 49), «Mbola ho antitra anie ianareo fa aza dia mihomehy an’i Nenibe» (takila 51), «Miantrà ny malahelo sy ny kamboty» (takila 62), «Tena mba mahasosotra ilay tompon’ny fiarakodia, efa androany ny fotoana nefa tsy tonga izy» (takila 64).
«Ny setroka tsy midina, ny rano tsy miakatra» saingy ny fahalalam-pomba no fiaraha-monina. Mifanaja tsy mifanelingelina, na amin’ny setrok’arina manempotra ny ambony rihana, na ny ranon-dolana mitete amin’ny lamba mihahy ambany rihana, na ny tabataba mihoatra tamboho mankarary sofina ny mpifanolo-bodi-rindrina.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja