Misy Raiamandreny manana zanaka samy nanala fanadinam-panjakana, tamin’ity taona ity : CEPE, BEPC, BAC. Tsy kivy mampiana-janaka ny Raiamandreny na dia eo aza ny fahasahiranana maro samihafa, eny fa na dia ny fiantrehana izany fanadinana izany indrindra aza ho an’ny fianakaviana maro.
Tamin’ity taona 2024 ity, Mpianatra 529.000 no nisantatra ny CEPE ; 299.130 no niatrika BEPC ; 218.359 kosa nanala BAC. Ity fanadinana Bakalorea ity, izay mamarana roambinifolo taona ngarangidina, no misarika be indrindra ny sain’ny maro : mitombo isan-taona ny isan’ny mpianatra tody amin’izany dingana izany (215.530 tamin’ny 2023 ; 192.435 tamin’ny 2022) na dia tsy fantatry ny besinimaro loatra kosa aza ny isan’ireo niala an-dalana, noho ny antony maro eo amin’ny fiainana, fa mbola indrindra ihany ny fahasahirana ara-ekonomika mianjady amin’ny Malagasy.
Nifanindran-dalana ny fanendrena ny Governemanta vaovao sy ny fivoahan’ny valin’ny Bakalorea. Raha ny fifampiarahabana nahatafita zanaka no maro kokoa noho ny pi-maso amin’ireo Ministra vaovao, dia firenena mbola misy azo ahatokisana i Madagasikara. Ireny tanora ireny no ho avy, tompon’ny arivo taona hitsingerina.
Tsimintsimina ny zaza, ravoravo ny Raiamandreny, saingy tsy ilaozan’ny ahiahy, manodidina ny fampitaovana ny sehatry ny Fanabeazana sy Fampianarana. Tanteraka ve ilay «baikom-pitolomana», dimampolo taona lasa, hoe EPP (mifarana amin’ny CEPE) isaky ny Fokontany, CEG (mizotra amin’ny BEPC) isaky ny Firaisampokontany, Lycée (manomana amin’ny Bakalorea) isaky ny Fivondronampokontany ? Aiza ho aiza isika amin’ny Fampianarana izay ho Mpampianatra ? Mendrika ilay asa masina famolavolana ny taranaka ve ny sata sy hajan’ny Mpanabe ary antonona ny ezaky ny Mpianatra sy ny fanantenan’ny Raiamandreny ve ny trano sekoly sy ny ambaindany, manomboka any amin’ny garabola ka hatrany amin’ny doctorat ? Ary, isaky ny dingana tratra, CEPE, BEPC, BAC, izay mazàna arakarakiny fahafahana isam-pianakaviana, moa ve misy sehatra avy hatrany afaka hitondran’ny tsirairay ny anjara birikiny ho an’ny Firenena, na dia ny fizakan-tenany tsy ho vesatry ny fiaraha-monina fotsiny aza ?
Vehivavy avokoa, hatramin’ny alakamisy alina teo, no mitantana ireo Ministera telo miandraikitra izany Famolavolana Ara-Tsaina ny tanora Malagasy izany : Fanabeazam-Pirenena (MEN), Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (MESUPRES), Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa (METFP). Eny fa ny Ministeran’ny Kolontsaina ihany koa aza. Ndao (mbola) hino fa Renim-pianakaviana ireo ka tena mahalala ny mararin-janaka izay antoky ny ho avin’ity firenena ity.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja