VINA sy DINA

Ny vina dia vokatra antenaina, eo amin’ny fiainana manokana, eo amin’ny ankohonana, eo amin’ny asa sy fiaraha-monina. Ny olona miray vina dia miray hina satria miray saina sy miray fo ary miara manaiky hitondra ny anjara birikiny hanatanteraka ny vina iombonana. 

Miainga amin’ny vina ny fandaminana rehetra. Safidy ny ho any Toamasina na Antsirabe na Mahajanga. Raha miala eo Antananarivo dia lalam-pirenena samihafa no haleha araka izay toerana tiana hahatongavana. Manana vina iraisana isika malagasy mibaribary ao amin’ny hiram-pirenena izany.

Hiadana sy ho finaritra dia sambatra avokoa isika rehetra. Maro ny firenena eto ambonin’ny tany miaina fandriam-pahalemana sy fibeazan’ny olona rehetra na ankizy na lehibe ka miroborobo sy misandrahaka amin’ny sehatra maro. Misy fepetra ny hambolena firaisan-kina eo amin’ny olombelona miara-miaina, eo amin’ny ankohonana, toeram-piasana sy fiaraha-monina. Izay miaraka dia mila mifanaraka. Dina no filazantsika izany fitsipika eken’ny rehetra izany.

Mibaribary ao anaty hiram-pirenena izany. Manaiky samy hanompo ny firenena ny olom-pirenena tsirairay satria ny tena, fo, fanahy ananana no harena voalohany entina manolotra ny tsara indrindra amin’ny sehatra misy ny tsirairay. Saha ny fiainana, ankohonana, fianarana, orinasa, fiaraha-monina. Sahanina, alamina, arindra anaty fahendrena izany mba hisandratra. Safidy ny miaina izany isan’andro. Tsy hirairaina isaky ny manangana saina fa mitoetra ao anaty dia lasa toetra mibaribary azo tsapain-tanana. Izay misy dikany misy bikany.  Nofy tonga nofo tahaka ny boky vakiana isan’andro.

Ilay Mpahary izao tontolo izao izay masina sy marina no hajaina voalohany. Izy eo antampon’ny loha, mahita ny mihafina rehetra no tahafina sy tarafina satria nataony mitovy endrika aminy isika. Tia, mazoto, mahay mandeha amin’ny lalana marina noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana izay hajaina tahaka ny tena. Azo atao izany. Ny omby miara mandry tsy miara mifoha. Izay mifoha mitaona ny namany isaky ny mihaona. Afaka miara-misandratra isika.

Vanim-potoana no dikan’ny asara. Ny asaramanitra dia midika pejy vaovao misokatra. Tso-drano no hifampizarana satria mahery ny firarian-tsoa. Izay feno ao anatin’ny fo no tanterin’ny feo. Ndao hifanao soa ho an’i Madagasikara Soa. Samy hitombo hasina anie isika rehetra. 

Ho manankasintsara i Madagasikara.

Hanta Ramakavelo

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne