Alahady 25 marsa 2001, tamin’izany, nivoahan’ity laharana faha-3213 n’ny gazety Lakroa ity. Tany amin’ny takila faha-8 farany dia nisy taratasin’ny mpamaky, fintiniko eto ambany :
Madagasikara (dia) nanambara mazava ao amin’ny «Code pénal» fa «azon’ny Fitsarana atao ny manasazy fanamelohana ho faty». Hoy kosa ny andininy 12 ao amin’io fehezan-dalàna famaizana io hoe «tout condamné à mort sera fusillé».
Manerana an’izao tontolo izao dia mitombo isa ny olon-dratsy mamono olona : mandroba dia mamono, avy nihinana zava-mahadomelina dia mamono, na karamaina dia mamono. Mipetraka ny fanontaniana hoe «raha mba vonoina koa ireo namono, mba mety hihena ve io heloka bevava io ?
Ny Soratra Masina moa dia mandrara ny famonoan’olona, na inona na inona heloka vitany. Mipetraka koa ny fanontaniana faharoa hoe «ny olona voaheloka ho faty, ka tsy vonoina, (moa) tsy hamporisika ny sasany indray hamono ?»
Ny didin’Andriamanitra dia tsy didin’olombelona, ka izay mamono dia tokony hotifirina koa mba fanomezana ohatra ny olon-dratsy, ka tsy hamerenan’ny hafa indray io heloka io.
Raha mihatra ireo andininy voalaza etsy ambony, na ho indroa mandeha fotsiny aza, dia mety hampieritreritra ny mpanao ratsy.
Ankoatra ny lohateny, izay nanaitra ahy, dia voamariko tsara koa ny «teny avy amin’ny Lakroa», famaranana ho hafatra : «Iombonanay ity fanontaniana ity». Tamin’izany fotoana izany, 2001, izy roalahy ireto no tompon-draharaha tao amin’ny gazety Lakroa : Mpiandraikitra, R.P. Louis Rasolo, Mpiandraikitra lefitra, R.P. Adolphe Razafintsalama. Ity faharoa moa dia efa Rektora tao amin’ny kolejy Saint-Michel Ampari(a)be nianaranay.
Hatramin’io lahatsoratra taona 2001 io dia nofoanana, ny taona 2015, teo amin’ny didy aman-dalàna malagasy, ny fanamelohana ho faty. Tsy nisy adi-hevitra ampahibemaso izany fikosehana lalàna velona sy fomba fanao an’arivo taona izany. Novitaina «antsokosoko» tao amin’ny Antenimiera. Iaraha-mahalala ny maharefo antsika ara-bola, ka ireo «mpiara miombon’antoka» no indrindra nanindry io fanafoanana io, ho mbola isan’indray ireo «conditionnalités» marobe, efa natataovana an’i Madagasikara hatramin’ny «programme d’ajustement structurel».
Marobe anefa, ary isan’andro, ny tatitra mahatsiravina noho ny heloka maro samihafa. Raha olon-tsotra tahaka ny tena, no mitaky famerenana ny fanamelohana ho faty, tsy tambo ho isaina ireo hiseho tafintohina. Ankoatra izay lazaina hoe «fivoaran’ny fiaraha-monina» (fa mankaiza tokoa moa), atsidiko eto ity resaka efa tamin’ny 2001 ity. Raha manahirana ny sain’ny Eveka tokoa moa ny famosirana, sao ny fanapahandoha avy hatrany (arahina tsy fampidirana fasan-drazana) no vaha-olana mihaja, fara-faharatsiny iraisantsika amin’i Amerika.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja