Antananarivo-Renivohitra : toa 1997 ihany no 2024

Antananarivo-Renivohitra, efa tena Madagasikara kely. Teloambinifolo tapitrisa ny Malagasy manontolo tamin’ny 1997, taona nanoratako itsy lahatsoratra etsy ambany itsy. Tombanana ho 25 tapitrisa isika izao taona 2024 izao. Ny tena ho raharaha, tany ka lasa mponin’Antananarivo avokoa ny vahoaka 13 tapitrisa... Saingy, raha mbola tsy ampy sekoly, fitsaboana, ho enti-manana, izany hoe fandrosoana isan-karazany antenaina amin’izany taona 2000 izany, ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara dia tsy ho voafefy Avaradrano, Manjakandriana, Ambatolampy, Miarinarivo, Antsirabe, Ambatondrazaka, Fianarantsoa, Mandritsara, Manakara, Ampanihy, hiakatra eto an-dRenivohitra. Antananarivo no voalohany simba, noho tsy fisian’ny fitsinjaran-karena sy fitaovana. 

Mandainga izay milaza fa tsy nisavovona ny fako tamin’ny 1997, na hoe tsy lavavadaka ny arabe, na hoe tsy nanandrana nibodo tsikelikely indray ny totohabato ireo mpivarotra. Raha ny isan’ny mponina sy ny andraikitra sahanin’Antananarivo-Renivohitra dia Faritany iray manokana izy ary tokony ho laharan’ny Governora, fara-faharatsiny, no mitantana azy fa tsy Ben’ny Tanàna mena ambanin’ny mena.

Indro ary, lahatsoratra tamin’ny 3 martsa 1997, nampitondraiko ny lohateny somary mamazivazy an’i Dadatoa hoe «Raiso ny dimy Lesola !». 

Lesola amin’io dia Guy Razanamasy (1928-2011), Ben’ny Tanàn’Antananarivo tamin’izany andro izany. Hatramin’ny 1991 tena nahafantaran’ny vahoaka azy, dia masiaka be ronono tsy mifady hatsikana Razanamasy. Tsy mba nanana «communication» izy, nampandefi-tena matetika noho ny hoe «fihavanana», hany ka nandihizan’ny «Conseil municipal» sy ilay Filohany.

(Raiso ny dimy Lesola)

Raha ny asa hita no ifampitsarana dia tsy nahavita na inona na inona ny Ben’ny tanàn’Antananarivo Razanamasy Guy, hatramin’ny naha voafidy azy tamin’ny novambra 1995. Efa ho roa taona izao, mbola maloto ny tanàna, miavosa ny fako, mitombo ny mponina ao ambany tonelina etsy Ambohidahy, na ambany tetezana etsy Behoririka-Ankaditapaka, Zoma isan’andro etsy Analakely. «Fa aiza Razanamasy e ?», «Fa inona no ataon-dRazanamasy e ?», hoy ny fanontaniana miverina matetika tato ho ato.

Efa saika diso fanantenana ny olona nifidy tamin’ny 1995, ary izay no nahatonga ilay felaka tehamaina tamin’ny fifidianana ny filohan’ny Repoblika : «Antananarivo aza tsy zakanao, mainka fa Madagasikara». Efa tamin’ny 1996 ny maro no niandry izay ho fiovana, fa volana martsa 1997 moa vao misy zavatra azo tsapain-tanana.

Ho roahina amin’izay ireo mpivarotra etsy Analakely. Efa niala ireo tamin’ ny 1991 (NDLR : PDS Antananarivo-Renivohitra Guy Razanamasy tamin’ izany), saingy nisy moa ilay tolom-bahoaka mivaivay tetsy amin’ny 13 mey, ka niverina avokoa ireo madinika mpitrongy vao homana, mpandoto matihanina ny tanàna rehetra izay fandalovany. Tsy azo nokitihina izy ireo satria mpitolona mahafatra-po teo anivon’ny Hery Velona isan-karazany. 

Vao mihetsika ny Fivondronana (Fivondronana Antananarivo-Renivohitra, FIV-ANTA-REV, teny gasy madiodio fa tsy ity hoe «Commune urbaine Antananarivo» ity) dia lasa mialokaloka any amin’ny Préfet de police ny madinika. Isaky ny manam-pikasana handamina sy hanadio ny Fivondronana dia misy mpanao politika tsy an’inona tsy an’inona mimpongatra avy any, mitabataba, mitokona hoe tsy hisakafo maraina sy antoandro. Sarotra ihany aloha ny hampanajana ny lalàna rehefa milingilingy te ho filohan’ny Repoblika satria ilaina daholo ny vaton’ny olona rehetra, ka tsy maintsy tahitahina aloha ny madinika, ka ampandeferina ny fanadiovana. 

Misy ny madilana ho tetenina fa raha hiandry lava ny tonga lafatra, ho lasa mpivarotra eo Analakely daholo ny Malagasy 13 tapitrisa. Tsara asiana latabatra, toy ny eo amin’ny tsenan’i Mahamasina, eo amin’ny toby Pochard, mba tsy ho zarina hivarotra (sy hividy) amin’ny tany ny Malagasy. Ahoana ny momba ireo olona tsy ara-dalàna anefa tsy manaiky miala ? Aleo mba fadiana tanteraka mihitsy ny tsena toy ny rano-maimbo etsy Behoririka. Rahoviana vao ho asiam-piheverena ny tsena isam-pokontany ? Mba ho tena zoma ny Zoma fa tsy herinandro iray manontolo. 

Tsy maintsy hajaina ny lalàna. Tsy maintsy omena ny ohatra, satria misy alaim-panahy hihevitra fa ny fitokonana nianarana tetsy amin’ny 13 mey no biby fampitahorana hatraiza hatraiza, na momba ny tsena, na mikasika ny «droits de stationnement». Tsy izay sitrapon’ny mpivarotra tsy ara-dalàna akory no ndeha hanaovana sorona ny zon’ny (tena) mponin’Antananarivo, voatery mihafy tsy fidiny amin’ny embouteillages tsy misy farany, amin’ny trottoir tsy misy handehanana intsony, amin’ny arabe lasa fivarotana anana sy kiraro, amin’ny tabataban’ny mpivarotra «cassettes pirates». 

«Antananarivo madio no tanjona (ka tadidio)». Ny asa vita sy ny asa hita no hifampitsarana. Ka asehoy sy ambarao, fa raiso aloha ny dimy, na dia izay fotsiny aza. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne