Masoandro, Équinoxe, Akoholahy, MeisterSinger

Raha ny nianaranay tany an-tsekoly dia androany 21 martsa no atao hoe «équinoxe» (andro fitovian’ny andro sy ny alina, hoy ny «Vocabulaire français-malgache» nosoratan’i Victorin Malzac s.j., 1900). 

Rehefa 21 martsa, na ho an’ny bolan-tany avaratra na aty amin’ny bolan-tany atsimo dia io andro sy alina mitovy faharetana io. Isika aty amin’ny bolan-tany atsimo, hiroso moramora ho any amin’ny «solstice d’hiver» («solstice = fara fifanalaviran’ny masoandro amin’ny ekoatora», hoy Malzac), izay higadona ny 21 jona. Izany hoe anatin’ilay hatsiaka mamirifiry indrindra isika no mankalaza ny «fête de la musique», izay ny fetin’ny afo sy ny fivavahana amin’ny masoandro no razambeny. Fa iny moa, tahaka ny fakan-tahaka rehetra, tsy ilaozan’ny fifanoherana anaty («incohérence»). Ohatra hafa : ny «Père Noël» mibonoka bodofotsy tahaka ny hoe ririnina, anefa 25 desambra aty Madagasikara andro faran’izay migaingaina...

Fa inona moa ny «équinoxe» ho an’ny Ntaolo. Nahazo an-tsaina ny «ekoatora» sy ny «trôpika» ve izy. Ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana ny vokatra no namaritra bebe sady akaiky kokoa ny andavanandrony mandavantaona. Na tsy nisy boky aza, fiainana tsotra fotsiny, manaraka ny dian’ny masoandro, mahita ny fahavakisan’ny ambiaty. Ary, angamba, ny fiovam-bolon’ny fodilahimena. 

Heverina ho taonjato faha-9 vao tonga teto Madagasikara ny omby, jamoka taloha. Ny fahapotehan’ny zavamaniry no namaritan’ny arkeôlogy izany fanisana izany. Ka talohan’ny  «Fiteren’omby», «Mivoak’omby», «Mivoaka omby terabao», «Mby ampamatoran’ombikely», «Mody omby terabao», «Mangoron’omby», «Mody omby» : inona no fizarana ny andro ?

Ankoatra ny omby, nisy biby telo hafa voadiniky ny Ntaolo : ny Sahona (mihora-tsahona voalohany), ny akoho (maneno akoho tokana/faharoa/fahatelo), kary (misafo helika ny kary). Ny sahona raha mihoraka, ny akoholahy raha maneno, ny kary raha milela-tongotra : tsy noho isika olombelona. 

Ny omby no tsy manana sitrapo mihitsy, fa dia andevo bonaika : terena, roasina hivoaka, fatorana, atangorona, ampodiana. Miankina manontolo amin’ny mpiandry omby. 

Malalaka tanteraka kosa, tahaka ny sahona mihoraka, ny akoholahy maneno ary ny kary manadio ny volony, ny fodilahimena rehefa hitafy na hiala jaky. Fa ny azy tsy fizaran’andro fa fifanesen’ny volana. Indraindray anefa tsapako ho marim-potoana «MeisterSinger» ry zareo rehefa hihirahira mbola takon-dravinkazo sy hisidintsidina mifanaretsaka voalohany.

«MeisterSinger» dia mpanamboatra Famantaranandro niforona taona 2001 tany Münster (Westphalie, «Made in Germany»). Vetivety dia efa tompon’anarana amin’ity asa-kaliana (kaliana-atao) atao hoe «Haute Horlogerie» ity. Ny mampiavaka ny MeisterSinger dia Famantaranora «fotsiny» ny Famantaranandro : tsy misy fanondroana ny minitra sy ny segondra, fa tsipika tokana manondro ny ora. Fanahy iniana, hoy Manfred Brassler, ilay mpamorona ny orinasa, satria tahaka izany ny Famantaranandro rehetra taloha.

«Efa bana ny andro», «Misandratra andro», «Mitatao vovonana», «Mitsidik’andro», «Tolak’andro», «Folak’andro», «Mena masoandro», «Mody masoandro». Izany no «fotoan-gasy» : tsy mamaky loha amin’izay minitra. Tsy manahiran-tsaina amin’ny segondra. Azony ambangovangony. 

Tahaka izay lazain’ny ohabolan’ny Ntaolo hoe «Mifamotoana samy lavitra, tahaka ny masoandro sy ny akoho». Taitra ho azy ny akoholahy, na matory an-tsobiky aza, entanin’ny masoandro mbola tsy trà amin’ny tendrombohitra akory. Amin’ny roa sy sasany maraina katroka ve izany sa mbola amin’ny roa sa efa amin’ny telo... MeisterSinger. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne