Mandrora mitsilany manototra farihy

Ireto misy famaritana tsara ho fantarina. Ampahafantarina indrindra koa ny taranaka sao dia anaty boky sy lahatsoratra sisa no hahalalany azy, rehefa tapitra tototra avokoa ny rano sy ny tanimbary. 

Farihy : tany lemaka lehibe feno rano mihandrona tsy mivoaka

Kamory : rano mihandrona ao amin’ny toerana iray ka kelikely kokoa noho ny farihy fa lehibe kosa miolotra amin’ny dobo

Dobo : lavaka ihandronan’ny rano

Antara : dobo lalina sady mangatsiaka izaitsizy

Hetrina : farihy na dobo taloha fa efa saika ritra nefa tsy ialan-drano foana

Heniheny : tany ihandronan’ny rano ka manjary honahona sy feno ahitra ; tany lava volo tsy ialan-drano ka manjary fotaka mandrevo

Faria : anarana niantsoana ny tanimbary taloha

Matoa misy faria, heniheny, hotsaka, honahona, petsapetsa, dia misy rano. Azo inoana fa tobin-drano ao ambaniny ao, fa ny antsika moa totofana hananganana «lotissement», «station-service», «mosquée», «quincaillerie», «espace mariage», kianjam-baolina, sns.   

Efajato taona lasa, teo Ankadimbahoaka hono ny fefiloha voalohany sy ny tanimbary narovany. Novakiana lalana, tsy mba natao tetezana hoe hitsimbinana ny rano sy ny tanimbary, mivoaka eny Ankadievo (ny hevo dia fanantsikafonana ny ranon-tany hahatsara ny fambolena), mamonjy ny bypass, ka na hianatsimo Imerimanjaka-Iavoloha na hianavaratra Amoronankona (ny hona/honahona dia fotaka malemy sy mandrevo ary lalina) sy Ambohimangakely. 

Kivy sy sosotra ary malahelo aho isaky ny mandalo bypass sy rocade. Tsy andro, tsy alina ny kamiao mivezivezy mitatitra tany hanotofana ny farihy, ny kamory, ny dobo, ny hetrina. Manolotra ny «dobon’i Calixte» 

taloha, izay efa nototofana noho izany hoe «zone de développement mixte» izany, mbola nisy toerana kelikely adinodino : tsy ampy iray volana ny nanotofana azy, izao efa manangana rarivato anefa tsy tsikaritro misy irony takela fanomezan-dalana irony. Manam-pahefana firy moa no tsy mandalo eo, maraina, antoandro, hariva, fa samy tsy misy taitra. 

Mamindra amin’ny loha dia mieritreritra amin’ny tongotra, firenena efa manao ho zary fiainana ny tsingolobatita. COP (Conference of the Parties) fahafiry moa izao, ary itony fanotofana farihy-kamory-dobo-hetrina itony ve mba voatsidika amin’ny fanimbana ny tontolo iainana ? 

Mainka mbola kivy kokoa rehefa mieritreritra fa tsy hisy fahefana azo antenaina hampijanona izao fandroràna mitsilany izao. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne