Haitraitran’Ambohijanahary
Ka mitomany hibaby an’Iarivo !
Angolangolan’i Mahamasina
Ka mitomany hiampofo an’Ambohijanahary !
Hainteny fahiny izany. Imahamasina ao ambany andrefan’Antananarivo. Sao mba tsy Ambohijanahary no ndeha ho ampofoin’i Mahamasina fa avy hatrany dia Ankaratra no te hibaby an’Antananarivo ?
Avy eo Antananarivo, sa vohitra hafa aiza mahatazan-davitra, no nahavelon’embona sy hanina an’i Jean Narivony : «Iny Ankaratra iny mantsy, Iny Ankaratra iny lahy, Iny Ankaratra iny roy, Iny Ankaratra iny manko, Ry ilay Ankaratra iny» ?
Ny taona 1869 no natao batisa protestanta ny Mpanjakavavy Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony. Raha avy aty atsinanana, tazan-davitra ny tilikambon’ny Fiangonana Tranovato Anatirova (1880) ary manangasanga somary lavidavitra ny tilikambon’ny Fiangonana Ambohitantely (1872). Indraindray, difotra anaty zavona ny vohitra ka ny lapan’i Manjakamiadana (voafono vato tamin’ny 1875) sy ny lapan’Andafiavaratra (1872) sisa tazana. Miavaka ihany koa anefa ny «Lycée Gallieni» (Condorcet, 1908) izay fanahy ninian’ny Vazaha natsangana teo Andohalo sy natao miezinezina «hanimba ny maso».
Erinerina, Manerinerina, Imerina. Tsinjo lavitra, mahatazana manodidina. Tendrombohitra, tampon-tanety, lohasaha, tanimbary, heniheny. Ny vohitra no fonenana. Ny tampon-tanety sy ny lohasaha ho an’ny fambolena. Ny tanimbary efa tanimbary rahateo. Ny heniheny, petsapetsa mando lava.
Ny taona 1897 no efa nasain’i Jeneraly Gallieni nodinihin’i Colonel Roques ny lalamby Toamasina. Natomboka 1901 tany Brickaville ny asa ka ny taona 1909, efa andron’i Victor Augagneur, vao tonga Soanierana ny lalamby ary 1910 no notokanana ny gare Soarano. Rano sy honahona ary heniheny nototofana avokoa no nialoha sy nanaraka izany. Ny «Plan Geo Cassaigne» (1922) no nandroboka an’Analakely sy Tsaralalana tao anatin’ny honahona izay mahatadidy ny maha rano azy isam-pahavaratra. Tsy diso anjara koa ny «Plan Dorian sy Razafy-Andriamihaingo» (1954) izay nampanao ny «Cité Ampefiloha» sy «67 hectares» amin’ny faritra iva manolotra ny lakan-dranon’Andriantany no sady iva noho ny ranon’Ikopa.
Izay ilay Analamangako, ry Iarivoko, r’Imerina.
nosoratan’i Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Toamasina tomate ! Nandalo ny loza be Gezani. Nandefa fanampiana ny CUA ho mariky ny firaisankina avy aty Antananarivo.
RépondreSupprimerNandripaka indray ity ny haintrano tao Bazary kely Toamasina. Toa tsy hita mihitsy izay mba fanampiana avy aminy Faritra sasany ? Dia ahoana rehefa etats federes ?.