Roa taona manao 170 km

Raha tsy eto Madagasikara, tsy hisy hibitaka hoe «Efa tsara Antananarivo-Antsirabe» anefa vao mivoaka an’Ambatolampy sy mbola tsy tafiditra an’Antsirabe dia efa lalan-dratsy. Mampalahelo moa fa matin’ny Covid sy ny fanasarahana an’Ambatolampy tamin’Antananarivo ny «Rendez-Vous des Pêcheurs» satria, ankehitriny, mba vita adin’ny iray sy sasany, tahaka ny taloha, ny 70 kilometatra voalohany. 

Hiditra Ihazolava : kasaina ho atao vakoka angamba ireo lavadavaka kely marobe fanahy iniana tsy tampenana mihitsy.

Ihazolava-Ambohimandroso : ankoatra ny kitoatoa zara fa vita, mbola vovoka no fohan’ny mpandeha ary kitoantoana no diavin’ny kodiarana.

Ambohimandroso-tanàna : efa mahazatra ny korontan-dava manemitra ny arabe, miampy lavaka mihinan-tena eo afovoan-tanàna.

Mivoaka Ambohimandroso : lavaka fandrika maro dia maro ka raha tsy efa mahay azy tsianjery, mety hiongotra «train avant».

Ampitatafika-Ilempona : isan’ny azo antsoina hoe «Lalam-pirenena». 

Ilempona-Ianaborona-Morarano : asa, iza loatra no BTP nanankinana io ampahany io, no roa taona ngarangidina mbola mifoka vovoka ny olona. Ankoatra izany moa dia zana-tohatra isaky ny midina miala goudron sy mianika miala lalan-tany. 

Sambaina-Antsoantany : mba misosa, ankoatra ny indro kely mandingana ny lalamby sy ilay 100 metatra tsy mety vita eo Antsampanimahazo.

Andranomanelatra-Antsirabe : kely sisa tsy hiditra an’Antsirabe, tsy mba hoe «tongasoa» fa antsasa-kilometatra hanapotehana izay sisa mbola tsy tena simba amin’ny fiara. Korontam-batokely mampitomany «silent-blocs», mampangotsokokotsoka «bielettes-rotules-pivots», mampihempahempa «amortisseurs», mampiteny ratsy ary mampanozona ny tompon’ny fiara sy ny mpampiasa foto-drafitr’asam-panjakana. 

Roa taona lasa, na dia tsy tsara loatra aza Antananarivo-Antsirabe, mbola azo niainana, tsy nisy tena nanafintohina toy izay nitranga rehefa notrongisina ny «goudron» ka navela ho vovobovoka sy fasipasika ary vatovato ilay tara fahiny. Raha tsy eto Madagasikara, 170 kilometatra, roa taona, mbola tsy vita ihany !

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne