Na tsy eo intsony aza ny Andriamanjaka, tokotanim-pasana ny Rovan’Antananarivo. Ny «tantara mitohy» etsy ambany dia mampiseho mazava fa fonenana andavanandron’ny Mpanjaka ny Rova ; foiben’ny fahefam-panjakana ihany koa satria «akarina» Anatirova avokoa rehefa tiana hanan-danja ; ny Tranovato Anatirova dia ivon’ny Fiangonam-panjakana izay tena nokasaina hajoro tsy ifangaro tamin’ny Fiangonan’ny Misionera (na London Missionary Society na Jesoita, fa ireo no roa lehibe indrindra) ; ary indrindra, «tanin-drazana» satria ny FITOMIANDALANA (talohan’ny ota-fady nataon’i Gallieni sy Rasanjy tamin’ny 15 martsa 1897) dia fasana nanafenana ireo razamben’izy Andriamanjaka sy ireo havany akaiky (ohatra : Razafinandriamanitra, reniben-dRanavalona III, dia nafenina tao Anatirova tamin’ny zoma 4 janoary 1889 rehefa niamboho tao an-tranony Ambatobevanja ny alatsinainy 31 desambra 1888).
Ny diary aseho eto, izay notsongaina tao amin’ny «Ny Gazety Malagasy» (niniana narahina ny fanoratra tamin’izany andro izany), dia karazan’ny fitetezana ireo Trano, Lapa, Fasana, kianja tao amin’ny Rovan’Antananarivo, faha Tany Gasy.
Andrefan’i Tsarahafatra, atsinanan’i Masoandro, atsinanan’i Besakana, avaratry ny Fiangonana Tranovato, manodidina an’i Manjakamiadana, lavarangana avaratr’i Manjakamiadana, an-Tranovola, Anatirova avaratra: nisy dikany avokoa satria nisy aro-fenitra (protocole) tokoa. Ohatra, Tranovola dia «fandraisam-bahiny» : D. Maigrot, Konsolin’ny Italiana (8 jona 1885), John P. Campbell, Konsolin’ny Amerikana (11 mars 1889) : samy noraisin’ny Mpanjaka. Masoandro dia an’ny Mpanjaka sy ny Tandapa. «Kelisoa», somary adinodino, dia ilay Trano simban’ny daroka baomba nataon’ny Frantsay avy eny Andrainarivo, ny 30 septambra 1895. Ny zoro avaratra-atsinanan’i Manjakamiadana ihany koa dia naratra noho io tifitra io. Tao KELISOA no nentina Razafinandriamanitra II, zana-drahavavin-dRanavalona III, rehefa avy tera-bao ka somary nahiana ny ainy.
Ny Lapa Masoandro no nipetrahan-dRanavalona III, saingy rehefa nanambana ilay trano biriky natsangan’i Parrett, dia voatery narodana ny volana jona 1890. Nifindra tao Tsarahafatra Ranavalona III : nanantena hanangana Lapa Masoandro vaovao izy, ka nandatsaka vato fehizoro ny 18 aprily 1893 : io fototra goavana io no notrongisin’ny adala mpanivaiva Tantara nametrahany tamin’ny 2020-2021 io «zavatra» tsy maintsy aesotra ao Anatirova io.
Hitohy...
Nasolo-Valiavo Andriamihaja