Roa taona katroka lasa, ny 7 aogositra 2023, nanoratra izao manaraka izao ny pejy Facebook Commune Urbaine de Mahajanga :
«Tabataba miteraka fanelingelenana ny hafa mihoatra ny amin’ny 10 ora alina. Tsy ny fampiharana ny sazy no atahorana fa tokony hapetraka sy (ho) ataontsika loha-laharana hatrany ny fifanajan’ny fiaraha-monina. Raha mba milaza ny mpifanila-bodi-rindrina fa misy marary, misy zazakely, sns, ka mangataka mba ahena kely ny mozika, dia tokony mifampihaino fa tsy hifanafintohina. Ndeha haverina izany fahaiza-miaina sy fahaizana miara-monina izany.
Na mahazo alalana aza dia tokony ahena ny feo manomboka amin’ny 10 ora alina. Tsara marihina fa na ny fety aman-danonana eny anivon’ny tokantrano aza dia tsy maintsy misy fahazoan-dalana. Eny, fa na mahazo fahazoan-dalana aza, dia tsy maintsy ahena ny feo (volume) manomboka amin’ny 10 ora alina ary tsy tokony ho heno aty ivelany intsony izany. Raha misy ny fitarainana mahakasika izany dia afaka miantso ny 034.14.401.22/032.42.632.84. Marihina fa mandeha 7/7 sy 24/24 ireo laharana ireo».
Raisina an-tanan-droa raha misy laharana 24/24 sy 7/7 tahaka izany eto Antananarivo-Renivohitra. Hatreto mantsy dia ny laharana 22.281.70 no efa nanaovako lahatsoratra tamin’ny 2 aogositra 2021. Efa fanelingelenana ampolotaona tokoa mantsy no mila hahalasa adala eto Antananarivo.
Tsy andro, tsy alina : horakorak’olona gaigy, hirahira mankarenin-tsofina, hiakam-barotra mitatatata. Manginy fotsiny ny «échappement» moto sy scooter iniana tsoahina ny «silencieux». Ny «propagande» fivelesan’amponga mamono ampongan-tsofina.
Tsy ankoatra ny amin’ny folo ora alina vao manelingelina fa, na amin’ny firy na amin’ny firy antoandro, rehefa mihoatra ny rindrin’ny tokantrano dia efa fanelingelenana ny hafa. Mozikanareo tsy mozikanay, fetifetinareo tsy haravoanay, eny fa na ny fahorianareo aza tsy manome alalana tsy hahitanay torimaso. Zavatra tsotra tahaka izany tsy takatry ny mpiara-belona no mahalasa saina amin’ny hoe «fiaraha-monina».
Amin’ny ireo lahatsoratra ampolony nandritra izay ampolotaona izay dia efa nangatahiko ny famerana sy fandrefesana ara-teknika ny haavon’ny feo na hoe «décibels» : 69 db ka hatramin’ny 72 db hoy ny OMS (Organisation Mondiale de la Santé) no zakan’ny sofin’olombelona. Vao miainga eny amin’ny seranan-tsambo hiditra eto Madagasikara, mivoaka amin’ny trano fivarotana isan-karazany, ka tonga ampelatanan’ny mpividy sy mpampiasa azy dia efa tokony voafetra io feo ambony indrindra tsy manimba sofina io.
Ny nomena andraikitra, hanara-maso ny fanajana ny fehezan-dalàna sady hampilaza raha misy fandikàna, moa nahazo fitaizana fara-fahakeliny rahateo ? Ahoana moa no hitandroany fahadiovana an-dalana sy an-kianja raha fisoko no fonenany. Ahoana moa no hanairany amin’ny tabataba manelingelina raha toa ka izany no andavanandrony isam-pianakaviana.
Heverina ho tsy misy dikany io feo manelingelina io. Isan’ireo mariky ny fahasimban’ny fiaraha-monina sy ny firenena malagasy sahady anefa.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja