Rehefa fady ny tandrametaka

Kila forehitra ny tsenan’Asabotsy ao Antsirabe. Taona maro lasa, raha nivahiny farany tao, dia nahita-maso ny korontandrotana sy ny lalana nifanizina zara nisy nifanenan’olon-droa. Ny tena moa mankahala ny mifanitsa-kitro (na tsenan’Asabotsy, na Anjoman’Analakely, na kianja 13 mey) ka dia nanao todik’ivoho ary tsy niserana intsony. 

Raha ny nahatonga ny afo, angamba dia ireo antony efa voatanisa, taona maro ihany koa, mialoha ny nahamay ny kianjan’ny Boky etsy Ambohijatovo. Tamin’izany, «ny antsasaky ny Kianjan’ny Boky etsy Ambohijatovo, efa lasa fivarotana tsy misy ifandraisany amin’ny Boky ary ahiana mihitsy aza hanimba ny Boky». Izao, taona 2025 izao, telopolo taona taorian’ilay hevitra tsara dia tsara hoe «Kianja ho an’ny Boky», asa raha mbola misy ampahatelony ve etsy Ambohijatovo ireo matihanina mpivarotra boky (indrindra ireo boky tranainy rakitry ny ela) ? Toa kojakoja maro samy hafa mantsy no mibahana ao : mpanao lakile, mpanao «photocopie» (ity moa mba resaka taratasy ihany saingy ratsy ny «photoco-pillage»), mpanao volo, mpanera zavatra maro isan-karazany ankoatra ny boky tompon-toerana, ary ny mpivarotra hanimasaka. 

Izany menaka sy sakafo izany, anefa, tena fahavalon’ny Fitoeram-boky. Mampatsiahy ilay «bibliothèque» tamin’iray amin’ireo «Ankatso» ireo navadika ho «cantine» sa «réfectoire» moa izy izay. Sakafon-tsaina, fahana fahalalana, fanovozam-pahaizana, natakalo kiendiendy sy ny alain-drony. Voky tokoa angamba aloha ny kibo, fa ny saina asa raha mivezivezy rehefa noana. 

Toa tsy mba misy laoniny izany eto amintsika. Tamin’ny andron’ny Vazaha, efa ho sivifolo taona lasa, no nananganana ireo «tsena pavillons» etsy Analakely ireo. Ireny hitantsika amin’ny sary fahiny mampitsetsetra hoe : «hafa ihany ny taloha» ireny. Izao ny «pavillons» difotry ny mpivarotra amoron-dalana: enga fotsiny anie, ka tsy tsy hisy loza tahaka izay efa nahazo ny «tsenan’Asabotsy» any Antsirabe na ny «Bazar Be» any Toamasina. Na ny trano fivarotana kitoatoa etsy Behoririka. 

Ny loza anefa dia afaka sorohina amin’ny fitandremana ara-teknika fa tsy hoe entina am-bavaka ka hiandrandràna fitahiana am-panaovana indrindra z’inona ny fitsipika. Tsy fotoana hanondro-molotra hoe «iza no diso» na «an’iza ny andraikitra» saingy, rehefa hanarina ny rava, aoka re tsy ho gaboraraka indray, mba fadiana amin’izay ny tandrametaka raiki-tampisaka fototry ny voina. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne