Tamin’ny 1952, mbola andron’ny Fanjanahantany, dia nisy boky fianarana nosoratan’i René Carle ary noravahan’ny sary sangan’asan-dRamanda, isan’ny mpanao hoso-doko malaza. Vita dika-teny roa, malagasy sy frantsay, izany boky kely izany : «Eto Madagasikara, Nosy Malalantsika».
Enimpolo ny Tantara fohy ao anatiny, mampiseho ny fiainan-dRalay, zazalahy kely ambanivohitra. Ankoatra ireo Angano (Besorongola, Darafify, Ikotofetsy sy Imahakà, Trimobe sy Sohitika, Soafara), lasa ny saina hoe, teloambifitopolo taona aty aoriana, toa mbola zava-misy iainan’ny ankabeazan’ny mponina no voatantaran’ny boky.
Fanoto ao an-daona, sarety midridrodridro any an-dalambe, tsihy ahorona isa-maraina, misaika amoron-drano. Lalana mankany an-tsekoly mandalo tanimbary, mandingana sakelidrano, miditra ala kininina. Rano tapaky ny daba tovozina amoron-drano ary lolohavina. Fanasan-damba any amoron-drano. Sira sy labozy ary afokasoka amin’ny trano fivarotan’ny Sinoa. Posiposy taritin’ny borizano. Latabatra an-kalamanjana ametrahana mofomamy, vatomamy, sokolà, sirao. Andian-tsarety mitondra lasaka feno vary ho an’ny fitodian-dalambin’Ambatolampy. Vainafo indramina amin’ny mpifanolo-bodi-rindrina ka entina amin’ny vato fisaka hameloman-kitay ao an-trano.
Zava-baovao tamin’izany ny aotomobilina, na ny bisikileta. Efa ho valopolo taona aty aoriana, an-tapitrisa maro ny Malagasy mbola tsy nitaingina aeropilanina. Ankehitriny aza moa, etsy Mahamasina, mbola sarety taritin’olona no hibatana entana, ary tsy vitsy amin’ny faritra manodidina mivantana an’Antananarivo-Renivohitra no miverina mampiasa posiposy.
Madagasikara, Nosy Malalantsika no lohateny amin’ny teny gasy. «Joies et travaux de l’île heureuse» kosa amin’ny teny frantsay. Teloambifitopolo taona tsy an-tany tsy am-parafara. Nosy malalantsika, an-dalam-pandrosoana sa andalam-pihemorana ?
Nasolo-Valiavo Andriamihaja