Taonjato faha-9 vao tonga teto Madagasikara ny omby, jamoka taloha. Ny fahapotehan’ny zavamaniry no namaritan’ny arkeôlogy izany fanisana izany. Ka talohan’ny «Fiteren’omby», «Mivoak’omby», «Mivoaka omby terabao», «Mby ampamatoran’ombikely», «Mody omby terabao», «Mangoron’omby», «Mody omby» : inona no fizarana ny andro ?
Roa arivo taona talohan’ny niraofan’ny omby teto Madagasikara dia efa mby teto anivon’ny riaka ireo Razamben’ny Razambe. Izy Razamben’ny Razambe ireo dia fantatra fa Aôstrôneziana, firenen-drazana sy sokajin-kolontsaina iraisan’ny Malagasy amin’ny Indônezina, ny Malayziana, ny Filipiana. Talohan’ny nidiran’ny fivavahana avy any amin’ny faritany misy ankehitriny ny Hebreo (saika Jiosy manontolo) sy ny Arabo (kasa ho silamo avokoa), nanana ny fombany ny Razamben’ny Razambe. Isan’ireny ny fiompiana manokana biby telo : ny akoho, ny alika, ny kisoa.
Iza, ary oviana taty afaran’ny roa arivo taona nialoha saingy very lovantsofina, no namafa ny famantaranandron’akoho, ny vovoan’amboa (ki-asu), ny fodian’ny kisoa (ki-sua) ?
Raha ny ohabolana, izay nanomboka nangonina tamin’ny andron-dRanavalona Reniny (nanjaka 1828-1861 ary tsy ilay tondroi-molotra ombieny ombieny) mba tsy ho very tadidy, dia nisy biby hafa tokoa. Ankoatra ny omby, voadiniky ny Ntaolo rahateo : ny Sahona (mihora-tsahona voalohany), ny akoho (maneno akoho tokana/faharoa/fahatelo), kary (misafo helika ny kary).
Ny omby, jamoka nofadiana fahagolan’ny Razambe hafa sasany, angamba noho ny fivavahana boddhista, dia biby tsy manana sitrapo (sitraky ny fo) mihitsy, fa dia andevo bonaika : terena, roasina hivoaka, fatorana, atangorona, ampodiana. Miankina manontolo amin’ny mpiandry omby.
Ny fodilahimena kosa, indrindra rehefa hitafy na hiala jaky, dia mahaleo tanteraka. Tahaka ny sahona mihoraka, toy ny akoholahy maneno ary sahala amin’ny kary manadio ny volony. Saingy, indro goavana, ny azy tsy fizaran’andro fa fifanesen’ny volana.
Marim-potoana ry zareo. Omaly, tamin’ny dimy sy sasany maraina (oran’olombelona), mbola tena maizina. Telo volana lasa, ary vao omaly akory, tokony efa nandondom-baravarankely ry fody mianakavy, nitaky ny kapoakam-bariny. Fantany, fantany fotsiny, fantany marina, fa tonon-taona hafa indray. Tsy mila mpaminany, tsy iandrasana sikidy, tsy angatahan’andro hitsabo volana. Taom-podilahimena e.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja