Dian-tana sy dian-dambo

Isan’ireo nasain’ny «ONG Vision Madagascar» hijery ilay «Madagascar ou le grand carnaval des caméléons» ny tenako, horonantsary notontosain’ilay Frantsay Paul Terrel, efa tamin’ny 2022. 

Teo am-pijerena ireto sary mahavariana, mitsongo-dia ity biby ratsy tarehy ity, aho no lasa saina, nahatsiaro tampoka ny «Anganon’ny Ntaolo», nangonin’ilay Norveziana Lars Nielsen Dahle (1843-1925) tamin’ny taona 1877. 

Isan’ireny ilay «Ny tanalahy sy ny lambo», tafahoana an-dalambe ka nifanatsafa. 

«Ô Randriantana a ! Nahoana kosa hoy aho, hianareo, no dia midraikodraiko fandeha avokoa na antitra na tanora : moa malain-kandroso sa mikasa hiverina no mihozohozo toa tazoina ?»

«Izahay no manao izany, Andriandambo, mihevitra ny lasa ary misaina ny ho avy, fandrao ny lanitra manindry mahery ary ny tany maka tanora ; raha mijaikojaiko, manome voninahitra ny any ambony, satria izy no lanitra irakofana ; ary manaja ny aty ambany, satria izy no tany diavina».

Misy teny roa, «midraikodraiko» sy «mijaikojaiko», manavao sofina ka aleo asiam-panazavana. Raha ny «New Malagasy-English Dictionary» nataon’i Richardson tamin’ny 1885, ny hevitry ny hoe «MIDRAIKODRAIKO» dia mandroso am-patahorana, na mitsaitsaika akory aza. Ny «MIJAIKOJAIKO» indray dia hoe manao dian-tana mihitsy, hoy ihany Richardson. Ao amin’ny «Rakibolana», tsangambaton-Rajemisa Raolison tamin’ny 1985, zato taona katroka taty aoriana, dia hoe «famindrana miadana tandremana tsisy hahare». 

Ny «MIHOZOHOZO», teny verindroa hafa koa, dia efa tsilovin’ny «tazoina» natovana azy : mangovingovitra, mipararetra. 

Mbola nitohy moa ny resak’Andriantana sy Andriandambo : «Fa hono, iky, Andriandambo, nahoana kosa, hoy aho, hianareo no dia miantraitraika sy mianjerazera fandeha ; ary izay zavatra rehetra sehatra anareo dia firain’ny vavanareo avokoa ?»

«Izahay no manao toy izany, Andriantana, tsy tianay ny mihevitra ny lasa, na ny misaina ny ho avy, fa izay tondraka anio manan-jara». 

Na ny «Dictionary» tamin’ny 1885, na ny «Rakibolana» taona 1985, dia samy manatsidika hevitra hoe «mianjerazera», «miantontatonta», «migodogodona», rehefa tonga amin’ny teny hoe «MIANTRAITRAIKA». Izay izany no dian-dambo. 

Ny angano moa angano. Fa ankoatra ny anatra ambadika, ny voambolana efa adino no niompanako teto. Mbola isan’ireny ito farany : «Dia NIKOY ny hevitry ny tanalahy ilay lambo ka nandidy ny taranany hoe : Ny taranako rehetra dia tsy maintsy mianatra mba ho miadam-pandeha sy ho malemy fanahy avokoa». NIKOY : nankatò ka nanafatra. Ny «Dictionary» 1885 dia mbola nahitana io teny io, izay tsy tazako intsony ao amin’ny «Rakibolana» 1985. 

Tsetsatsetra tena tsy aritro, fa «izany, hono, no nahatonga ny kisoa ho miadam-pandeha sy ho azo ompiana». Ny lambo-resy, midraikodraiko ; ny kisoa-dia, mbola miantraitraika. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne