Amintsika, ny anaran-tany sy fanondroan-toerana tsy mitoeteo-poana fa tena nitantara zava-nisy tany am-piandohana. Raha eto Antananarivo, azo heverina fa ilay lasa hoe «Ambodimanga» etsy akaikin’i Besarety dia mety ho «Ambodinimangasoavina», satria manolotra azy ambony eo i Mangasoavina. Ohatra hafa : tsy kisendrasendra raha tsy dia mifanalavitra Antsakaviro (sahan’ny sakaviro na sakamalaho) sy Betongolo. Samy zavamaniry zanatany, sady sakafo no fanafody.
Saka-viro, saka-rivo, saka-mala(h)o, saka-intany... Sakavirom-bato koa tsimperifery ihany. Sakay, moa ? Ary ny Sakafo, saka-fo ? Mifanojo tsara amin’ilay oha-pitenena hoe «saka-fo ambany fo-itra»...
Saka... Mariho ireo anaram-bolana tranainy, nolovaina avy any India : Saka-masay (volana aprily), Saka-ve (mey)...
Tsikaritro ihany koa ny teny «Saka» amin’ny anaran-drano maro manerana ny nosy : Sakamakebe (Isalo), Sakay (Imerina-andrefana), Sakamaly (any Makay), Sakanila (Vatomandry), Sakeny (Morondava), Sakaleona (Nosy-Varika), Sahasaka (Pangalanes). Manodidina ny farihy Alaotra dia «Saha» indray no hita matetika : Sahamaloto, Sahamilahy, Sahabe. Fa ny «Sakamaina» kosa dia hoe tanimbary ambony toerana ka saro-drano...
Mba hahafantarana ny Tantara, dia nifarimbona ny Arkeôlôjia (fandinihina ny vakoka milevina), ny «Linguistique» (fandinihina ny Fiteny), «Génétique» (fandinihina ny ADN), ny «Palynologie» (fandinihina ny vonin-java-maniry).
Efa hitantsika fa amin’ny teny Malay tranainy dia nahitana voambolana tsy vahiny amin’ny teny Malagasy. Ny tsangambato (1 metatra 77 no haavony) tao Kota Kapur (nosy Bangka), misy soratra amin’ny abidia pallava, ary manondro volana «Vaisakha» amin’ny taona «608 Saka». Vato hafa, hita tao Karang Brahi (Sumatra) misy hoe «humpah, ompa ; maka-matai, mahafaty ; ulun, olona». Vato hafa tao Bukit (vohitra) Seguntang (Palembang), misy soratra hoe «kayu nimakan vuahna = hazo fihinam-boa». Vato fahatelo tao Telaga Batu (Palembang, Sumatra Atsimo) : «kamu vanyakmamu urang» (vanyak = vahoaka ; urang = olona ; niwunuh : voavono). Samy nanodidina ny taona 683-686 avokoa ireny soratra ireny.
Amin’ny voambolana mahakasika ny vatan’olombelona, ny trano, ny fianakaviana sy ny ankohonana, ny tany, ny rano, ny lanitra sy ny toetr’andro, ny anaram-biby, ny anaran-java-maniry, dia zafin’olo-mirahavavy ny teny malagasy sy ny teny any Barito Atsimo-Atsinanan’ny Nosy Kalimantan (Bornéo), any Indonezia. Sahabo ho 1200 ka hatramin’ny 1500 taona anefa no nisarahan’ny fiteny roa tonta, mbola elanelanin’ny Ranomasimbe Indiana.
Ny hoe Itasi(hanaka), Alaotra, Ampangalana, I-Kopa, Ankoala-Lompotra, samy manako any Atsinanana andafin’ny riaka any. Na ny «Valam-Paria» ihany koa aza.
Maro ny tarehin-Kolontsaina zaraintsika amin’ny Vondrom-pirenena antsoina hoe Aostrôneziana, Asia atsimo-atsinanana : ny fandevenana anaty lakana mifanongoa (Imerimanjaka) na anaty renirano maito (Matsiatra) ; ny famadihana ny razana ; ny toeran’ny ovibe, ny fontsy, ny fary (vary), ny tamotamo (sady laro no fanafody), ny voanio, izay samy manana foto-teny PMP (Proto-Malayo-Polynésien) avokoa ; ny endrika efajoro ny tranon’ny Ntaolo ; ny antsiva, ny hazolahy, ny atranatrana, ny sodina ; ny angady ; ny lakam-piara misy fanarina.
Izany sy izany. Teny, volana, zaka. Mody angano, tsy tena arira.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja