Fahiny, vao tsy ela, sosotra foana vao maraina, isan’andro isan’andro, mandavantaona, mahita sy manisa ny kamory sy tanimbary totofana tsy an-kijanona, amin’izay lalovana rehetra manolotra ny bypass. Bypass izay tsy inona fa ity lalam-baovao mampitohy an’Iavoloha (RN7 PK12) amin’Amboromanina (RN2 PK 11+070).
Lalam-baovao efa roapolo taona. Ireo nanan-kevitra io lalana io ve, nanampo izao endrika korontandrotana lalovana an-kilometatra izao ? Misy «Antanambao» miforona ho azy, eny amin’ny bypass ankehitriny. Tsy misy namaritra «urbanisme», na fenitra inona na inona, fa navela hanjaka ny «laisser-aller», «laisser-faire», tahaka izay efa navela nitranga tamin’i Betsimitatatra, tanimbary andrefan’Antananarivo.
Efa tamin’ny 1981-1985 ilay tsangambaton’ny teknisiana malagasy nanome safidy ny mpitondra politika, Filoha sy Governemanta, izay tompon’ny fanapahana. Tsy nandray andraikitra ny mpitondra politika, efa tamin’izany ka hatramin’izao. Dia nanjaka ho azy ny «laisser-aller, laisser faire». Samy mandeha, samy mitady.
Marihina fa, izany 1981-1985 izany, dia efa fitopolo taona aty aorian’ny nitokanana ny seranan-dalamby etsy Soarano. Tao anatin’izany fitopolo taona izany dia maro ny rano raraka an-tany, ny sira niverina an-drano, ary sesehena ny ranontany naondrana an-tanimbary. Izao efa mihatra andavandro amin’Ampefiloha sy 67ha izao, anefa nandaniana tapitrisa tapitrisa tamin’ny taona 1960-1970, no hitranga amin’ny bypass rahampitso. Ary amin’ny Laniera, afak’ampitso.
Vao omaly aho no niresaka teto mikasika an’i Razanahary. Ao amin’ny Tantara Ny Andriana, Razanahary, zanak’Andriamanjavona sy Andriambavirano, dia milevina ao an-tampon’Ambohijanahary «tonga Vazimba ao» (TA, 13). Ny zanak’izy io, Rafaravavy, dia hoe teny Farihy, «ambany avaratr’i Merimanjaka» : isan’ireo toerana maro voatototra ranontany amin’iny lalovan’ny bypass iny...
Raha tany Andafy izany dia nisy «archéologie préventive», mba hahafantarana ary hiarovana ny Tantara sy ny Vakoka. Efa tara loatra ve ? Izaho dia isan’ireo mino fa izay natototr’olombelona dia ho afak’olombelona.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja