Fefiloha «sivilizasiôna» sy tevana «barbaria» (Tohiny)

Izany anefa dia nahavitana fefiloha tahaka ny «Fefiloh’Andriambolanambo», izay voalaza hoe Andriana teo Namehana anefa raha ny fefiloha mitondra ny anarany mamakivaky manomboka eny Soanierana ankehitriny ka hatrany Ambodifasina. «Any ankazomasina, atsimon’Antananarivo ny lohany (eo atsimon’i Soanierana), mianavaratra any andrefan’Ambohijanahary, mianavaratra any andrefan’Isotry, dia mahazo andrefan’i Tanimena, dia mianavaratra andrefan’Ivandry, dia mahazo ny andrefan’Alarobiakely, dia any andrefan’Isoavimasoandro, dia any andrefan’i Belanitra, dia mianavaratra eo atsimon’Ambodifasina no farany» (TA, 751). 

Fefiloha lava dia lava ihany koa raha ilay hoe «Vahilava» lazain’ny Tantara Ny Andriana ho tamin’ny andron’Andrianampoinimerina : «ao Ambohitsakatra ny lohany, ao andafy atsimon’i Mantasoa ; ary ny vodiny ao Farahantsana. Hatretsy atsimon’Ambohimanoa no vitan’Andriamasinavalona, ary dia nampian’Andrianampoinimerina ka nankandrefaniny ao Farahantsana» (TA, 748). 

Fefiloha mitandavana tahaka izany ihany koa ilay «fefiloha Ampitantafika no miorika hatrany Iharanandriana ny lohany, ary ny vodiny midina miharo amin’Ikopa ery akaikin’Anosimanjaka», nitambaran’ny Vakisisaony sy Ambodirano (TA, 749). 

Isika moa ankehitriny fahavaratra be rotsakorana. Tahaka ny isan-taona anefa dia jerem-potsiny handeha io ranobe mangeniheny io. Mahalasa saina ity taterin’ny lovantsofina ity : «Fahavaratra no anetsàna tanimbary ary fambolena ny voly an-tanety, fa ny vary aloha vao hevitra tato aoriana (...) vao tato aoriana no nisehoan’ny ketsa ririnina, raha nanjaka Andrianampoinimerina nahavita fefiloha naha-vary ny eny avaratra eny sy nanao famorian-drano hanetsana rehefa ririnina» (TA, 276). 

Mahalasa eritreritra ihany koa ny vaovao hoe misy sahy nanapaka ny fefiloha ho lalan’ny fiara. Ny tangirika dia lavaka kely natao handehanan’ny rano amin’ny fefiloha ; fa ny tangoloaka dia «loaka mangotana» atahorana hanjera tamboho na handrava fefiloha. Fa dia efa saina inona loatra, sa ny toetr’andro ankehitriny kamboty «éducation civique» ka nilaozam-pahendrena, no alehan’ny lohan’ny sasany handavaka fefiloha. Efa mihoatra lavitra ny resaka fanajana lalàna mantsy izany, efa amoron-tevana manasaraka ny mbola «sivilizasiôna» sy ny efa «barbaria».

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne