Tantara ihany ka Tantara

(Tohiny)

Ireo zanak’Andriantsilavo telolahy dia nametrahana andraikitra ambony tamin’ny governementa Ranavalona : Rajery natao Andriambaventy teo amin’ny Fitsarana, Ratsimanisa lasa lehiben’ny tafika, ary Rainiharo na Ingahivony, lehiben’ny mpanolon-tsain-dRanavalona. Rehefa nodimandry Rainiharo tamin’ny 1852, dia fandevenana manetriketrika, lambamena aman-jatony no nampombaina ny maty, omby amin’arivony no natao sorona ho dikain’ny tranovorona, tafondro maro vava no rerè ; ary natrehin’ny Mpanjakavavy hatreny amin’ny «Fasan-dRainharo», izay fasana miezinezina indrindra tamin’izany andro izany, eny fa na dia mandrak’ankehitriny aza. Natao fandevenana Andriamanjaka hoy ny fitantaran’izay nanatri-maso. Naharitra 33 taona ny fanjakan-dRanavalona (1828-1861), ary Radama II no nandimby azy tamin’ny 1861. Mbola ny Tsimiamboholahy, notarihin’ny «Andafiavaratra», no nampanjaka an-dRadama II satria Ramboasalama, zana-drahavavin-dRanavalona no notohanan-dRainijohary, lehiben’ny Tsimahafotsy «Andrefandrova».

Rehefa nanjaka Radama II dia notondroi-molotra ho nanao ny sitrapony sy izay danin’ny kibony ireo sakaizany «Menamaso». Ny ankabeazan’ireo Menamaso ireo dia avy amin’Imerina atsimo. Nony ela, lavon’ny Avaradrano Imerina-atsimo ka dia nofongorina ny Menamaso ary nokendaina ihany koa Radama II. Marihina anefa fa misy lovantsofina hafa milaza fa mody novonoina ny Mpanjaka fa nampandosirina niankandrefana ka hoe ao andrefandrefana ao ny fasany.

Volana mey 1863 izany rehetra izany. Teo am-pelatanan’ny zanak’i Rainiharo avokoa ny fahefana. Nanomboka teo dia ny hova Tsimiamboholahy no nifidy ny Mpanjakavavy : Rasoherina sy Ranavalona II, samy zanak’Ambatomanoina ; Ranavalona III, vinanton’Ambatomanoina. Rainivoninahitriniony aloha no natao Praiministra. Tsy nanaja ny Mpanjakavavy Rasoherina anefa izy ka nanapa-kevitra ny filan-kevi-panjakana fa hosoloina an-dRainilaiarivony rahalahiny.

Rainilaiarivony, Tsimiamboholahy, zanak’i Rainiharo, zafin’Andriantsilavo no sady taranak’Andriampirokana mpanjakan’Analamanga fahagola, lafiny nandovany ny faritra nanorenana ny Tranoben-dRainiharo nosoloina ny lapan’Andafiavaratra taty aoriana. Taranak’Antehiroka («Andriana talohan’ny Andriana» hoy ny fiteny sasany) izany no nandidy sy nanapaka teto anivon’ny Nosy, nanomboka 14 jolay 1864 ka hatramin’ny 30 septambra 1895 nidiran’ny tafika frantsay teto Antananarivo. 

Avaradrano tompon’ny laka faha «Tany Gasy». Sady mpitari-tafika, no mpanao varotra ary mbola mpihevi-panjakana ireo andriana sy hova nahazo vahana taloha. Telopolo amby zato taona aty aoriana, mba nankaiza ary ny mpandimby ireo Avaradrano ireo ? Aiza ny mpandraharaha ara-toe-karena mifehy ny lalam-barotra ? Aiza ny tompon’ny harena afaka mibaiko ny mpanao politika ? Aiza ireo fianakaviana nanome jeneraly mpitari-tafika, andriambaventy mpitsara ambony, «administrateur civil» voanjo mpampandry tany, «diplomate» maroseranana, ary Ben’ny tanàna tompon-bodivona ?

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne