Fanao taloha

Valoambinifolo taona ny zanako : eninambitelopolo taona lasa aho no nitovy amin’ny taonany ankehitriny. Tsy hiresaka matematika aho fa lasa saina hoe misy zavatra maromaro tsotsotra, fanao taloha, tsy mba niainan’ireto zaza ireto. 

Raha miohatra tamin’ny 1956, naha valoambinifolo taona ny raiko, inona no zava-dehibe tena hoe samy hafa hatramin’ny 1988 ? Ny radio mbola tokana (sa isaina ny Radio Nederland ?), ny televiziona mbola mainty sy fotsy sady tsy nisy «télécommande», ny telefonina mbola tsy nisy «sans fil». Ny taxi sy ny bus, mainka aza niharatsy, na dia mbola nahatratra ny «Saviem Super Goélette» (ligne 23 mandeha Soavinandriana no tadidiko : nisy «passage clouté» ho an’ny mpandeha tongotra teo Besarety-Mahavoky, akaiky «Poste de police» ; mpandeha Girard et Robic sa mpamangy La Rotonde sa mpisakafo Doan Van Bien) sy ny «1000 kilos» (zotra Anosibe-Ampitatafika : satria angamba izahay matetika nivahiny tany Faliarivo). 

Tamin’izany fotoana izany, tsy mijanona raha tsy «arrêt bus», ary nianarana nandritra ny «cours d’éducation civique» izany fahalalam-pomba izany. Tao anatiny nisy «Toerana voatokana» ho an’ny bevohoka, mitaiza kely, be antitra. Teo amin’ny tafo anoloana nisy famantarana, mirehitra jiro, manondro ny terminus lalana hizoran’ilay autobus fa tsy «aide-chauffeur/receveur» no mihogahoga manelingelina ny manodidina. 

Fony kely, samy hafa ve ny lalao fanaon’i raiko sy ny fanaoko ? Fanenjika, ra-osy-jamba, fangalam-piery, sangodim-panina, akoholahi-fantaka kalesa : fanao rehetra taloha, ivoahana any an-tokotany. Rehefa hariva ny andro : ny lohalika, kiho, ranjo, maradratra ; ny akanjo mihosom-bovoka na rovitra. Dia nifankaiza ve 1950 sy 1980, ny disque vinyle sy ny K7 ? Ny «Firaketana» jona 1961 dia milaza hoe «vitsivitsy ihany ny kilaolaon’ny ankizy fahiny». Mahagaga izany satria ny telo am-pahaefany voatanisa ao aza tsy misy nataoko...  

Niani-kazo koa taloha. Ny goavy (hazo mafy), ny rotra (malama), ny voandelaka (tsy fihinana na dia mitovivoty amin’ny mokonazy aza : manadio vatana kosa hono ny raviny rehefa tenehina), ny manga (be fanday fa mafy izany hihinana lasary manga manta), ny bibasy (ireo lozitra no tena mamy), ny «pamplemousse» (raharaha hafa ny mamaofy ny hasiny)... «Voalobo-jaza, teren-ko masaka», hoy ny fiteny : tsy tsaroako nangalatra nioty voaloboka mbola manta, ankoatra ilay manandrana tany am-boalohany indrindra, izy mbola marikivy tahaka ny voatabihazo. 

Ny paiso tsy mahazaka raha anihana, toraka izany koa ny papay : manapaka bararata lavalava dia asiana tariby mifangaiko ny lohany : azo asiana harona kely mifanandrify amin’ilay tariby amin’ny tendron’ny bararata dia tsy mitontona ho simba amin’ny tany ny voa sokirina. Rehefa maro tafaraka ny mitovy taona, zanak’olo-mpianadahy, zanak’olo-mpirahavavy, zanak’olo-mpirahalahy, ny masoandro mody tokoa no mampalahelo. 

Ny renibenay mpanjaitra, tsaroako ny latabatra lehibe indrindra tao aminy, nisy taratasy nanaovana «patron». Mpanosika ny lamba amin’ny milina «Singer», rehefa tsy mpampiditra kofehy amin’ny fanjaitra ny ankizy, mbola tsara maso. Fanosehana : notononiko hoe «fanisehana» fony mbola kely. Vikavika : zaitra vonjimaika ahitana izay endriny fotsiny aloha. Somaradimbana : raha vao diso refy kely fotsiny ny tongo-pataloha. Voambolana manokana aloha, tsy haiko raha mbola fampiasa akory ankehitriny amin’ny «prêt-à-porter».

Ankehitriny, rehefa mahita andian’akoho mandalo aho dia mahatsiaro ny tokotany elezin’ny akoho. Tsy dia tian’ny olon-dehibe loatra, kanefa atao ahoana fa izay no maha akoho azy. Nitetehana anandrano ny akoho, ny an’ny gana asiana rano ahazoan’iza fisa-bava mitroka ny sakafo. Feon’akohovavy te hanatody, feon’akoholahy tena manao fotoana samy lavitra amin’ny masoandro : ity farany any ambadiky ny havoana any, ilay faharoa misarona an-karona.

Misy zavatra tsotra fanao, vao dimampolo taona lasa fotsiny, tsy fantatry ny ankizy roapolo taona ankehitriny. Azo heverina anefa fa ny fanao tany amin’ny taona 1920 dia mbola niainan’ny olona teraka taona fitopolo-valopolo. Fa taorian’izay no nihazakazaka ny fiovan-javatra : noho ny fisokafan’i Madagasikara bebe kokoa miohatra amin’ny tena naha-Nosy ara-tsaina azy hatramin’izay. Ny fisian’ny televiziona fotsiny, mainka moa fa ny Internet taty aoriana, dia nandavaka hantsana ara-kolontsaina tamin’ireo «taloha» sy ireo «moderne». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

1 Commentaires

  1. Misaotra fa dia mampatsiahy sy mampanembona ny taloha tokoa ity lahatsoratra ity. Ny ahy moa dia natomboko tamin'ny famonjena lamesa tao amin'ny EKAR Ankadivato vao haingana izay fanalana embona izay ! Tamin'ny taona 1980 aho no nandray ny komonio voalohany tao, mbola mpianatry masera teo akaikikaiky teo fahizany. Raha mba fantatr'ireto mponina sy paroissiens ireto mantsy fa anisan'ny mpaka ny rindrina carreau n'i Père F. de Torquat curé tamin'izany ny tena natao "zoera" ! hihihihi ! Izao tsy misy an'izany "zoera" izany intsony, PES na FIFA indray o !

    RépondreSupprimer
Plus récente Plus ancienne