Tamin’ny 5 mey 1998 aho dia nanoratra hoe «Tsy ho kandidà, ka milingilingy». Mitampody indray ny tany amin’ny eninambiroapolo taona lasa. Sady jejo aho (satria tsy diso ny fijery) no malahelo (noho ny toe-javatra mainka niharatsy). Tao anatin’izay eninambiroapolo taona izay, toa mainka ninia namono tena isika : ny Fampianarana ankinina amin’ny FRAM, ny foto-tsakafo hafarana avy any ivelany, ny sehatry ny fiandrianam-pirenena natolotra manontolo am-pelatanan’ny Vahiny. Isan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany isika izao. Nahavaky vava ireto mpandinika vahiny nanoratra ny hoe «L’énigme et le paradoxe» (Mireille Razafindrakoto, François Roubaud, Jean-Michel Wachsberger, IRD éditions, 2017). Ndeha ho adikako hoe «Ankamantatry ny miantsoro mianotra».
Asa, nanomboka oviana loatra isika no nivarilavo tahaka izao. Iza no namorona hoe izao no fomba fanaovana «fampielezana HEVITRA» : mitondra fanamafisam-peo handefasana hira mankarenin-tsofina, manarama olona hampiakanjoina, midina an-kianja tsy hampianatra Lalam-panorenana na hizara HEVITRA fa handihy na hanao baolina.
Ny zanako lahy, vao nahazo 18 taona aza mahatsapa hoe «Ravoravoina aloha «la masse», vao rebirebena». «La masse» : daholobe fandrebireby, maro an’isa sady tsy mampiana-tena no tsy mitaiza zanaka, mpanao rebik’ondry mandatsa-bato anjambany. Tahitahiana alohan’ny fifidianana, hitsahina an-tampon-doha rehefa vita ny latsa-bato. Dia samy afa-po adaladala fa hoe izay ilay demokrasia.
Azontsika an-tsaina ve fa «izany» no naha toy izao ity Madagasikara ity. Tsy indray mandeha na indroa mantsy fa fanao raiki-tampisaka efa am-polo taona maro. Potika ny valan-java-boahary ao Zahamena ? Noho «izany». Misy fanararaotam-pahefana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ? Noho «izany». Kamboty ny fampianarana, marary ny fitsaboana, simba ny fotodrafitrasa ? Noho «izany». Baranahiny ny sisintany rehetra ? Noho «izany». Efa ho mpindrana eto an-tanindrazany ny Malagasy ? Noho «izany».
Efa hatramin’ny 1998 ka mandrak’ity androany aho no tsy manana gony na sobika eny fa na dia kapoakam-bary aza, hamahanan-dalitra anareo, fa dia vokisako resaka sy adi-hevitra ianareo. Indro ary ilay lahatsoratra tamin’ny 1998.
Inona moa no isan’ny tsy nampandroso an’i Madagasikara, hatrizay fotoana elabe niverenan’ny fiandrianam-pirenena izay, taona 1959-1960, fa tsy ny fomba ratsy lalan-kita-kisoa fanaon’ny mpanao politika manarato ny vaton’ny vahoaka.
Ireny mpanao politika ireny no voalohan-daharana rehefa hanao kobaka mafana any ambanivolo rehetra any. «Inona no zavatra tadiavinareo, tompokovavy sy tompokolahy, fa manaraka anay ao ny helikoptera mitondra vary, tafo fanitso ary fantsika ho an’ny vahoaka mahavita azy». Firy taona firy taona moa isika tsy nadilo tamin’izany kobaka mafana izany, nandritra ny Repoblika faharoa ?
Tsy mba hevitra no alahatra fa kapoaka, sobika na gonim-bary. Tsy misy fandresen-dahatra fa dia vola adala tompo no afafy. Tsy mifidy izany ny vahoaka fa mandatsaka vato efa voavidy ambongadiny.
Na ny faritra faralahiny indrindra aza, rehefa tonga ny volon’andro fampielezan-kevitra, dia lasa Ambohipihaonan’ireo mpivarotra kobaka mafana. Tsotra ny hafatra : «Raiso ny kapoaka ary aza adino ny valim-babena amin’ny fotsim-bary indray mihinana rehefa handatsa-bato».
Fomba fanao mbola tsy hitan’ny ankamaroany izay maharatsy azy ka dia farasisa mandrak’androany. Aza milingilingy mandahatra hevitra mitavozavoza satria tsy hahaleo ny fanomezana tsara lahatra. Ny toky fitaka fa ny atao ihany no hita ka dia omeo aloha ny fantsakana, atolory haingana ny vary, rosoy tsy mila kabary ny baolina. Izay hahalany aloha imasoana fa rehefa tafita mampiady karajia. «Voky ve ianareo ry vahoaka a ? Avy nitotorebika tsara ihany koa ? Fidio ary ny vato namelan-kafatra».
Izany hatrany no eto amintsika ka fomba ahoana moa ary hoy ianao no hanabeazana ny vahoaka hahay handanjalanja sy hitsikera ? Vary tsy maharitra herinandro akory, sady tsy hanin-katao hahavoky no tsy nofon-kena mitam-pihavanana : izany no programan’asa. Ka izay voalohany sahy mijoro tanam-polo, ka tsy ialohavana afa-tsy ny saina aman’eritreriny, dia ho naman’ny mamono tena.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja