Tsy isika Malagasy fa ny Maorisiana no mahafantatra kokoa an-dRatsitatanina. Misy anaran-dalana mitondra ny anarany any Maorisy, misy tendrombohitra tondroina hoe «Ratsitatane», marobe ireo mihevitra azy ho «martiora». Eto amintsika, na ny anarany aza tsy fantatra, raha tsy vao izao miezaka mampahafantatra azy izao ireo taranany (laha-dinika, narahina fampirantiana, mialoha fananganana tranom-bakoka).
Andriandahy (manahirana ilay hoe «printsy» : zanakandriana ve no heviny, anefa, raha ny fantatro andriamasinavalona Andriamambavola rainy) nalefa sesintany tany Maorisy, ka tody tany ny 3 janoary 1822. Telo volana mahery kely fotsiny avy eo dia efa maty izy : fomba ahoana moa no hiheverana fa «mpitari-tolona ho an’ny fahafahana sy ny ady amin’ny fanandevozana» izany Tompomenakely merina izany ?
Radama I (nanjaka 1810-1828) no nandefa sesintany azy rehefa naneho tsy fahafaliana Ratsitatanina (tsipelina hafa hoe «Ratsitantanina») nahita ireo Merina marobe ringana teny an-dalana, noho ny tazo sy ny mosary, nandritra ilay fanafihana notarihin-dRadama tany Sakalava-Menabe, fanjakan-dRamitraho, tamin’ny volana jolay 1821.
James Hastie (mpanolo-tsaina tao Anatirova nanomboka 1817, nahatongavany teto Imerina, ka hatramin’ny 1826, taona namoizany ny ainy teto Antananarivo) no nandrisika ny Mpanjaka ambaniandro tamin’io. Nifofo ny ain’i James Hastie no niampangana (sandoka) an-dRatsitatanina hoe nihazona lefom-pohy an-damba. Noho ny maha «tsimatimanota» azy ve no tsy nanaperana ny ainy teto Antananarivo (anefa ny rahalahiny iray dia efa nampamonoin-dRadama) fa mody nalefa tany Maorisy ? Olom-potsy (fa tsy andevo navarina) izy no tonga tany Maorisy ary James Hastie sy Rafaralahy-Andriantiana no nanatitra azy tany : nofitahana hoe ira-panjakana ve izy no nanaiky moramora hiondrana an-tsitrapo ? Naninona Rafaralahy-Andriantiana, zaodahin-dRadama, no tsy nandrenesam-peo nandritra ny zava-nitranga anefa mbola tany Maorisy ?
Vandy teto Antananarivo, fitaka tany Maorisy. Inona marina no nitranga ka nialany (sa nandosirany) ny toerana nametrahana (sa nanagadrana) azy ? Ny hany azo antoka, nanomboka teo, dia tafiditra tanaty vovo novelarin’i Robert Farquhar sy Radama, izay nifandray tendro hatrany am-boalohany, i Ratsitatanina.
Marobe ireo Malagasy navarina ho andevo tany Maorisy tamin’izany fotoana izany, indrindra tao Port-Louis renivohitra. Ampy isa ho nampatahotra ny Eoropeana raha sanatria tokoa ka misy mpitarika hikomy. Isan’ny antony tsy namelana an-dRatsitatanina ho velona, ka tsy maintsy nanapahan-doha azy ny 15 aprily 1822, roa sy roanjato taona lasa katroka (raha teto Imerina dia tsy ho nalatsa-drà izy fa nalevim-belona anaty honahona na nokendaina tamin’ny lamba landy).
Natolotry ny Masoivohon’ny Maorisy eto Madagasikara, io 15 aprily 2024 io, ny dika mitovy ny antontan-taratasy mirakitra ny «fitsarana» an-dRatsitatanina. Efa tamin’ny 2011 ny «Commission Justice et Verité» any Maorisy no nangataka «révision» (fitsarana vaovao) mba hilazana tsotra fotsiny ny marina.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja