Sanatria aoriana handatsa

Toa falifaly avokoa hoe ho avy eto Madagasikara ihany koa ny «Qatar Airways». Misidina an’i Gasikara avokoa ny kaompania vahiny. Isika, na ny zotra anatiny aza tsy ahitana intsony ny anarana Air Madagascar. 

Ny firenena mivoaka ny sisin-taniny ary mipariaka amin’ny vazantany, efa nikotrika politika am-polo-taona maro. Isika, miova famindra isaky ny dimy taona, tsy nametraka paika lavitr’ezaka hatramin’ny 1959, anefa manokatra varavarana mampandroso an’izao tontolo izao. 

Ahiahy aloha no mby voalohany an-tsaiko raha vao mandre fa hitombo indray ny isan’ny zotra avy amin’ny tany arabo sy silamo. Efa an-taona maro izy ireto no nampivady ny solitany sy ny fivavahany ho hery amin’ny fifandraisana (sa fifandrafesana) iraisam-pirenena. Efa hita ny korontana anatiny aterak’izany any amin’ireo firenena eoropeana te ho deraina ho fatra-mpandray olon-kafa.

Tsy ny fivavahana no ratsy (?), fa ny fampiasana azy ho basy hananiham-bohitra no mampanahy. Isika eto Madagasikara, malalaka ny finoana sy ny fivavahana : ireo firenena sasany, omentsika vahana noho ny tombontsoa vetivety tsy haharitra, moa manaja izany fahalalahana ara-pinoana izany akory ? Malalaka tsara ve raha Kristianina na Jiosy na Hindoa na Bodhista, raha any amin’ny tany silamo ? Sao, rehefa tafiditra omen-toerana izy, ka ny fadiny indray no ho tonga fomba amam-panao anivon’ny fiaraha-monintsika ?

Tandremo ihany ny falifaly tsy mitsinjo lavitra tahaka ny sekoly tolorana fanampiana amin’ny «cantine scolaire» : anjaran’ny sekoly, indrindra raha sekolim-panjakana izay iaraha-mahalala fa isan’ny marefo indrindra eto Madagasikara, no sarotiny voalohany indrindra amin’izay hanina aroso ny zanak’olona, satria efa nametrahan’ny Raiamandreny fahatokisana. Loza, raha any amin’ny «cantine scolaire» no sisihana moramora antsokosoko fadifady ara-tsakafo.

Manaitra ahy ny fitombon’itony hoe «sakafo tsy misy kisoa» tato ho ato itony. Roapolo taona lasa, mbola tsy nisy ireny soratra mirentirenty ireny. Na teny amin’ny Arabem-pirenena, na an-tsena andavanandro. Izao ka na «restaurant chinois» aza mitandrintandrina mametraka «sans porc». Manginy fotsiny ny «halal» hita amin’ny zavatra tsy ampoizina velively : «La Vache qui rit» (fa angaha moa tsy frantsay), «Le Brie Paysan Breton» (anefa Bretagne tompon’ny kisoa), «Saucisson sec» (charcuterie vegan aza moa foronina) ... Misy antony izany seho ara-piaraha-monina izany : ilaina fantarina ny nahatonga ny «curseur» nikisaka, satria ahoana moa no handrindrana firenena, raha tsy fantatra akory ny olona ao aminy.  

Efa fantatra ve ny nalehan’ireo lehilahy be volombava nanao rebareba sy vehivavy misaron-tava tafiditra maromaro teto Madagasikara, folo taona lasa izay? «Visa» firy andro no nomena azy ireny teo Ivato, ary efa niverina any aminy ireny sa nanorim-ponenana antsokosoko eto Madagasikara ? Niparitaka nanerana an’i Madagasikara ny Karana silamo nanaraka ny Fanjanahantany frantsay. Fa tsy nisy fifandrafiam-pomba sy fivavahana aloha. Adala ve aho mihevitra fa misy ifandraisany amin’ny nahatongavan’iretsy farany ny fisian’ny moske tampoka eny Ankazobe, any Andasibe, sy any an-kafa izay tsy nisy tapika-na silamo mbola vao roapolo taona lasa fotsiny ?

Tsy teratera-poana tampoka teo ny moske fa nisy Silamo vaovao nitondra azy ary nanao ho tanjona ny fanapariahana ny fivavahany : fantatra ve iza ary avy aiza izany olona izany ? Inona no anton-dia nanomezana azy alalana raha niditra teto Madagasikara : hanangana orinasa ve, ohatra, sa hitory fivavahana ? Firenena iza no mamatsy vola azy ? Iza no tompon’andraikitra gasy nanome izany alalana izany ary noho ny antony sa tambiny inona ? 

Ohatrinona ny fivadiham-pinoana ? Sakafo maraina-antoandro-hariva, fanafody maimaim-poana, vatsim-pianarana ? Mahantra mantsy ny Malagasy. Iaraha-mahalala ihany koa ny maha tsizarizary ny fanaraha-maso ny sisin-tany eto Madagasikara. Raha tsy izany ve ho tafatsoaka izay te handositra. Ny vatosoa sy volamena efa any Afrika Atsimo na Kômôro vao fantatry ny tompon’andraikitra malagasy, leoko ihany, fa ny olona tsy fantam-pihaviana mibosesika eto Madagasikara, tena mampatahotra ahy. Tongasoa, aza mihafahafa, saingy aza adino fa aty aminay ianareo. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne