Nahandro gasy

Eto ambany maso ilay boky vokatry ny «Lakozia mitety faritra». «Akoho ritra» (fricassée de poulet aux brèdes mafana) sady misy sakamalaho no anamalaho. Ny «Akoho sy Voanio» misy sakamalaho ambonin’ny ranom-boanio. «Felitsirebika sy Voanio» mampiasa ravimboatavo, sakamalaho, tamotamo, tongolo gasy, voatabia. Na ny «Manara-molotra» sy ny «Varanga» aza, tsy afaka amin’ny sakamalaho. «Pilao», vary ahandroina amin’ny ranom-boanio mifangaro amin’ny sakamalaho, tamotamo, tongolo, tongolo gasy, voatabia, voamadilo. «Fozan-dranomamy sy likalika» : fontsy, votabia, tongolo, tongolo gasy, tamotamo, sakamalaho. 

Santionany ihany moa ity boky ity. Tsy ho ary voadinik’i Henintsoa Moretti avokoa, ohatra, ny toerana manokana notanan’ny ny akondro/kida/fontsy sy ny fary teo amin’ny Ntaolo. Tantara lavabe ihany koa raha ny tamotamo, voanio, ovibe ary saonjo izay fantatra fa niara-tonga tamin’ny Razamben’ny Razambe. 

Ataoko hoe laro teratany ny sakamalaho (na sakaviro mbola tsy very tadidy amin’ny anarana hoe Antsakaviro eto Antananarivo, toerana izay tsy lavitra rahateo an’i Betongolo rehefa avy mita tanin’anana), tamotamo, tongolo gasy. Raha ny lahatsoratry ry Crowther & al. (Ancient crops provide first archaeological signature of the westward Austronesian expansion, 2016) sy ny bokin’i Philippe Beaujard (Histoire et voyages des plantes cultivwées à Madagascar, 2017) no arahina dia anisan’ireo zavamaniry efa teto Madagasikara talohan’ny taonjato faha-16, izany hoe talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeana taty amin’ny Ranomasina Indiana. 

Nanomboka ny taonjato faha-17 dia voasolon’ny zavamaniry amerikana ireo tranainy : ny katsaka naka ny toeran’ny ampemba (sorgho, sorghum bicolor, afrikana), ny mangahazo nanolo ny ovibe (grande igname, dioscorea alata, asiatika), ny vo(a)manga nanilika ny saonjo (taro, colocasia alata, asiatika). Tany amin’ny Zafiraminia, Andriatserogna nandefa ovibe ho an’i Flacourt : lehibe dia lehibe hono ka nampananterina tamin’ny filanjana nentin-olon-droa. Teto Imerina, taty aoriana, rehefa lasan’ny mangahazo ny toerana (sy laza) n’ny ovibe dia voalaza ao amin’ny Tantara Ny Andriana ilay mangahazo vaventibe nohadian’i Hagamainty teo Antanimena ka olona valo vao nahazaka nanatitra azy tany amin’Andrianampoinimerina. 

Ankamantatra. Inona ary izany «Ravinkaza masametso sy orandava», «Trondro afa-taolana sy makamba amin’ny sijavo», «Tongoa traka»...

Amin’ireo sakafo anatin’ity boky ity, mahafinaritra ny (mbola) mahita «Amalona sy Hena- kisoa» sy «Carpe royale misy lard fumé» na «Pizza au Ravintoto/henankisoa», indrindra amin’izao vanim-potoana mahagaga (sa efa mampiahiahy) izao, fihamaroan’ny hoe «tsy misy kisoa», «fady kisoa» ary ny «halal». 

Isika moa raha hisakafo, miteny hoe «mandroso homam-bary» : fomba taorian’ny nahalefy ny «vokatra», izay faka (ambany tany), ka nanomezana vahana ny vary (ambony tany).

Hoy ary ny Firaketana (jolay 1939), mikasika ny AMPANGO : vary masaka may kokoa noho ny namany ka manitra kokoa ary mitapelaka miraikitra amin’ny vody vilany sy ny vatany rehefa loarana ny ampangoro.

Ampangoro : vary nahandroina ho tena ritra ka misy ampango. Ventin’ampango : rehefa vonton-drano tsara ny ampango dia loarana ka hanina atao tsindrin-tsakafo, izany no ventin’ampango. Ranon’ampango : rehefa voaloatra ny vary dia asiana rano ny ampango, ka tenehina dia atao fisotro. Raha manitra tsara ny vary dia mivolom-bolamena mahafinaritra ny ranon’ampango (na ranovola).

Na anana fotsiny tsy misy hena koa aza, hoy ny Firaketana, dia laoka rehefa itelemana vary. 

Mbola ny Firaketana, septambra 1939 : ANANA (betsileo Traka) : ravina fihinan’ny olona amin’ny zavamaniry sasany. Isan’ny fialamboly tian’ny tovovavy zanakandriana sy ny vadin’ny mpanjaka fahizay ny mitango anana. Ity dia mampatsiahy izay lazain’ny Tantara Ny Andriana : ny vady fahatelon’Andriampanarivomanga, zanak’i Ralambo, hono dia fantany raha nitsonga anana teo atsimon’i Lazaina ny tovovavy. 

Ny anana no foto-daokan’ny Ntaolo, alain-dro amin’ny tsaramaso, na voanjobory, na trondro maina, na patsa, na fony, na valala, na ovimbazaha, na voatabia ; indraindray dia amin’ny vantotr’akoho, na ombin-kena na fadin-kena ; raha ritina kosa izy dia amin’ny henankisoa na hena omby matavy na hen’ondry tsy mahia. Rehefa maika anefa dia atao eo ambonin’ny vary efa ho ritra izy. 

Takila 518b ka hatramin’ny 526a : lavabe ny fitanisana sy famoaboasana natokan’ny Firaketana ho an’ny anana fotsiny. Anamadinika (anampatsa, anatantarika, anantsinahy, trebotreboka, ravinkolokolombomanga) ; Anamafaitra na Anamangidy ; Anamalaho - na Malao (anamalahoala, anamalahobe, kimotodohambazaha, anamalahokely, anamalahonkova, anamalahovavy, anamalaza) ; Anamany (telorirana, anamaminomby, ngitakely, dimbinantsy), etsetra, etsetra. 

Tsetsatsetra tsy aritra amin’ny tsipelin-teny : «Malaho : manantsiro masiatsiaka» hoy ny Rakibolana. «Anamalaho : karazan’anana masiatsiaka sy mafanafana». Fa maninona ny «Sakamalao : zavamaniry masiaka mafanafana ny vodiny» no tsy soratan-Rajemisa-Raolison hoe «Sakamalaho», misy «haintso» ? Samy mafampana masiatsiaka ny «Anamalaho» sy ny «Sakalamaho» ka tokony hitovy ny fanoratana ny «Malaho» mamaritra azy.  

Ny anamalaho (Spilanthes acmella) moa dia very anarana hoe «brèdes mafana», tsy atsy amin’ny Nosy manodidina antsika ihany fa na dia eto Madagasikara aza. 

C. Daruty (1886), izay nitanisa fanafody malagasy maromaro (tahaka ny hoe tambave afouche, fougère (ampang), Ravinsara tambave, Simarouba de Madagascar, soudefafe, tanghin de Madagascar), dia nanao ny Spilanthes ho «cresson de La Réunion ;  M.-L. Terrac (1947) nanome ireto anarana ireto : cresson d’île de France, acmella de La Réunion, anamafana (Madagascar) ; R. Pernet (1957) nanonona azy ho anamalaho, kimotodoha, brède mafana ; R. Bost (1961), anamalaonkova ; P. Boiteau (1986) : ahimafana.  

Ny vary sy ny itelemana azy. Efa voatanisa ny anana. Tsy maintsy asian-dresaka ny laoka. 

Raha ny diksionary Malay-Anglisy am-pelatanana dia milaza hoe «LAUK : dish, food (meat, fish, etc.) prepared in a particular way to be eaten with rice.

Ho an’ny Firaketana (septambra 1965) kosa : ny any Andrefana manao hoe «Filao», ny Vezo sy ny Sakalava manao hoe «Fia». Hena na anana na hazandrano hanina miaraka amin’ny vary. Any Amorontsiraka dia saika ny hazandrano ihany no ataony hoe laoka. Aty Imerina, ny hazandrano dia ataony hoe laokandrano. Ny laoka maina dia hena (kitoza) nomainina tamin’ny afo ; hazandrano nesorina ny atiny dia nasian-tsira dia nomainina tamin’ny setroka (trondro, toho, patsa, am-pirina, fony, kitozan’amalona).

Tsy haiko moa maninona ny «salai», amin’ny teny maley, nanjary ho «asali» amin’ny teny gasy, fa ny dikany dia mitovy : mainina amin’ny afo, na amin’ny setroka. Tsy mino aho fa afaka hanaovana «ikan salai» na «hanina asaly» ny entona Vitogaz izay isaorana anefa niditra an-tsehatra tamin’ny «Lakozia mitety faritra», mitaiza ny Malagasy tsy hampiasa kitay sy arina intsony satria dia io no hanimba tanteraka ity Nosy ity sy ny zavaboariny tsy roa aman-tany. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne