Miasa araka ny hiram-pirenena

Tombony ho ahy isan’andro ny miaina sy miasa araka ny hiram-pirenena malagasy

Isika rehetra dia samy manorina ny fiainany, manorina ny ankohonany, manorina ny asany, manorina ny fiaraha-monina isan’andro.

Ny teny sy fihetsika no anjara biriky entina manorina sy manangana. Amin’ny maha olona, maha mpikambana anaty fianakaviana, maha mpiara-miasa, maha mpiara-monina dia ilaina ny manana fenitra atao fitaratra ho tahafina mba hazava ny lalana hizorana.

Isika malagasy dia manana hiram-pirenena avo lenta, manoro lalana mampahomby, ka ndao volena ho lasa toetra isan’andro izany.

Tombony ho ahy manokana amin’ny maha vehivahy, reny, renibe, zanaka, mpandraharaha, mpampihofana amin’ny fitarihana sy fitantanana, mpanakanto ny maha malagasy ahy.

Fitaratra ho ahy isan’andro ny hiram-pirenena satria mirakitra vina sy dina tiako, lalim-paka sady mandravaka ny fiainako. Tsapako amin’ny maha olom-pirenena aho fa mivelatra, mivoatra, mandroso, matanjaka aho manaraka ny sori-dalana voasoratra ao. Am-pifaliana no hizarako izany miandalana.

Nanokana fotoana aho nandalina sy namakafaka ny voambolana tsirairay tao amin’io hira io mandritra ny enim-bolana. Nokatsahiko ny tian’ny mpanoratra holazaina. Ravo aho manisy bikany isan’andro izay misy dikany amiko amin’izao vanim-potoana iainako izao. Mitahiry ny hafatra ka manome aina izany amin’izay rehetra sahaniko.

Matoky aho fa afaka velombelomin’izany hafatra izany isika rehetra velona mba hamelona ka hanatsara ny tantarantsika.

Hanta Ramakavelo

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne