Fahagolan-tany 2070 taona, iarahabana ny 2024

Vita randrana manao tanaivoho ny volony, mandroso ny saokany fa tsy miditra, mivohitra tampin-kandrina, lava orona somary mifaingoka midina ny tendrony : izany hono ilay Mpanjakavavy egyptiana, Kleopatra, nahasodoka tanteraka ireto jeneraly romana roalahy, dia Jules César (-47) sy Marc Antoine (-41). Dimampolo taona talohan’i J.-K., izany hoe efa ho 2070 taona lasa. 

Heverin’ireo mpikaroka fa mitovy taona amin’izany, 2100 taona, ireo kisarisary hita tao amin’ny zohin’Andriamamelo, anatin’ny faritra voajanahary voaaro antsoina hoe Beanka, any Melaky, faritra afovoany andrefan’i Madagasikara : «We suspect that the art is about 2000 years old, dating back to the time of Cleopatra or before, based on the religious motifs», hoy izy sivy mianadahy namoaka 

ny lahatsoratra farany teo, desambra 2023 : David A. Burney, Julian P. Hume, Roger Randalana, Radosoa A. Andrianaivoarivelo, Owen Griffiths, Gregory J. Middleton, Tanambelo Rasolondrainy, Ramilisonina, Chantal Radimilahy.

Toy izao ny dika-teny malalaka ataoko amin’ny sombiny sasany amin’ilay lahatsoratra : 

Kisary valo ahitana taratry ny fivavahana tamin’ny andron-dry Ptoleme (300-30 talohan’i J.-K.) tany Egypta : hitsikitsika misary ny lohan’ilay andriamanitra Horus ; Thoth andriamanitra iray hafa manan’endrika vorona ; bibiolona mampatsiahy an’i Anobis, andriamanitra egyptiana hafa koa manana vatan’olombelona fa mitondra lohan’amboa ; Ma’at, ilay andramanitra misalotra volomborona.

Ilay soratra «M», rehefa nozohiana ny abidia rehetra, dia tena mitovy amin’ny litera «hawt» amin’ny abidia ethiopiana amharik, izay vakiana hoe «HA». Tena mahagaga fa io kisary-soratra io dia hita ihany koa any Bornéo (Kalimantan, Indonesia), ary any ihany fa tsy aiza na aiza maneraka ny faritra indo-pasifika. Amin’ny fiteny aostrônesiana sasany, io «HA» io dia fanehoana ny hoe «fofon’aina». 

Tsy misy singa na kristianina, na silamo, na hindoa. Ary na ny omby aza, izay fahita hatraiza hatraiza noho izy tsy azo ihodivirana nandritra izay an’arivon-taona farany izay teto Madagasikara, dia tsy misy. 

1. Tsara ho fantatra ihany fa David Burney dia ilay nampahafantatra ny fisian’ny voly rongony (fanaovana tady fa tsy hoe fohana fotsiny ny cannabis) tao amin’ny farihy-afotroa Tritrivakely (Ankaratra, S19°47 E46°55), heverina fa efa tamin’ny taona 250 talohan’i J.-K. ; ary voly tanatana (ricin) tao Kavitaha (Itasy, S19°02 E49°34), sahabo ho 1070 taona lasa. Efa tamin’ny taona 1987 no nivoahan’izany voka-pikarohana izany («Pre-settlement vegetation changes at lake Tritrivakely»). Raha tamin’ny faritra Beanka-Melaky manokana, dia tamin’ny 1936 ilay misionera Birkeli no nitatitra ny fisian’ny Vazimba/Bôsy manao sarisary anaty zohy. Ireo sary nalain’i Jacques Faublée, tamin’ny 1938-1941 kosa dia efa afaka niheverana «art rupestre», «rock art», haikanto ankarana teto Madagasikara.

2. Marihina ihany koa fa tamin’ny taona 2010, dia tao Makay, anatin’ny zohy antsoina hoe Mahafiny, no nahitana voalohany indrindra kisarisary tranainy amin’ny harana, saingy tsy antitra mihoatra ny taonjato faha-12 ny tao. Ireo «soratra» amin’ny harambato ao Alakamisy-Ambohimaha (Matsiatra, Betsileo) dia efa taloha lavitra no nahasondriana ny maro kanefa mbola tsy hay vakiana mandrak’ity ny androany. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne