Fankasitrahana an’i Delacre Black Jack’s

Nandre Black Jack’s, na tsy niondana Black Jack’s aza. Telopolo sa efapolo taona aty aoriana anefa toa mahatadidy ho azy, ireo hira nandalo ny sofina. Tsy ny nalaza indrindra tamin’ireo indray nihira, saingy mahagaga fa misy telo na efatra tsaroana avy hatrany, na ny feony na ny tonony. Angamba noho ny maha tononkira azy, vao noravahana feony ? 

Tsy mahazatra firy intsony ankehitriny, mba tsy ilazana hoe tsy hay intsony ankehitriny, ireny hira manankambara ireny fa tsy dia hoe rima iray na roa no averimberina mandra-pahatapitry ny fandihizana. Fandihy rahateo ve ny hiran-dry Black Jack’s, ankoatra ireo ankizy nandihy rock nandritra ilay concert efa antitra, hita amin’ny vidéo efa tranainy...

Na noho ny fanajana ny teny ihany aza, mendrika veloma farany Randriamiarana Jean de la Croix «Delacre», izay nodimandry teo amin’ny faha-72 taonany. 


Mba tandremo kely leitsy

Mba tandremo kely leitsy

Ity fiainana ity anie ka be fikafika

Voadona ialahy raha tsy mahay miampita

Ny fandrika iaraha-mahita

Zaran’olona aza ialahy midaraboka, any dia tsy hita

Zandry a, ny tany anie ka malama maina

Tsy ampy leitsy ny mitaraina

Mba tanora miary sao rehefa drodroka tsy manana hataina

Sao ny namana niarahana ela tafita, ialahy tonga saina


Asa ianao raha ohatra ahy

Asa ianao raha hino ahy

Asa ianao raha homba ahy

Tsy haiko ianao raha ohatra ahy

Fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko ho zakaina irery

Ny hasambarankeliko eto an-tany dia koloiko tsy ho verivery

Fa maro ireo mizaka fahoriana folo avo heny noho ianao

Kanefa tsy misoka-bava kely akory izy ireo na mitalaho

Tsy hitakiky aminao, tsy handady

Fa raha mbola misy fofon’aina hampijoro, dia aleony mitady

Sao dia ny aoriana no tsy zaka

Raha ny havana ilampiana no indreo mandatsa

Tsy aleo tsisy romoromo tamin-dravimbomanga kely sy patsa

Toy izay any amin’ny havana hanim-pitoloha fa arahin-datsa


Tsarovy ihany leitsy izay valimbabena

Mahaiza manome fa nomena

Indray mandeha dia indray mandaha ihany anie ry zandry

No andalovana eto ambonin’ny tany,

Ialahy no hitsara, tsy ho ratsy fiafara

Ny harena azo rehefa ikimpiana anie ry zandry

Fa ny fahendrena tsy mba vidiana

Koa faramparano

Tsy hidiran’angano


Ny na ny dika-teny nataony tamin’ny «Puisque tu pars» an’i Jean-Jacques Goldman aza, misy ventiny tena teny gasy fa tsy ara-bakiteny fotsiny : 


Indro tò ankehitriny

Ilay resako fahiny

Fony ianao mbola notrotroiko

F’isan-janako tsy foiko

Hoe hisy andro iray

Izay handaozanao anay

Ny hany sisa hafatray

Raha mba misy ny andro iray

Mahatsiaro ianao fa honena

Very fanantenana

Miverena !

Izao fotoana kely izao

No sisa anananay anao

Ka manahy no sady faly

Raha mahatsiaro ny andro omaly

Tso-drano iray

No atolotray

Hahita hatrany

Ny soa sy mamy


Fananankambara mazàna no miteraka aingam-panahy. Ny an’i Delacre dia ireto notanisainy ireto ny anton’ny hirany : 


Hihira ny hafaliana aho, hanjakany eto an-tany

Hihira fijaliana aho, fa iainana izany

Hihira ny hazavana aho, hisiany eto an-tany

Hihira ny hadalana aho, fa fiainana izany

Hihira fahendrena aho, hanjakany eto an-tany

Hihira ny hafetsena aho, fa fiainana izany

Hihira ny omaly aho, hampety ny androany

Hihira ny ho avy faly aho, fa ilaina izany

Raha mbola misy fofon’aina kely ijoroako

Raha mbola misy fo tia iray izay mitoloko

Raha mbola misy zazakely iray izay maty noana

Hirako izay, hirako foana

Raha mbola misy, masoandro iray izay manafana

Raha mbola misy, bôfibôfy iray izay mbola mitana

Raha mbola misy, zara vilana eo mandavantaona

Hirako izay, hirako foana

Raha mbola misy, mafy ady iray mba manantena

Raha mbola misy, ireo minia manao tsindry hazolena

Raha mbola misy, rà latsaka eo tsy ahoan-tsy ahoana

Hirako izay, hirako foana

Raha mbola eto an-tany aho dia hirako izany

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne