Fahavaratr’Antananarivo, toa ririnin-dasa tsy tsaroana

Na iza na iza nampiasa ny lalan’Antananarivo omaly zoma 01 desambra, dia tsy maintsy nikaikaika hoe “fitohanana tsy misy toa an’iny”. Na taiza mantsy na taiza, dia fitohanana lavareny no niainan’ny mpianatra sy ny mpiasa hamonjy fodiana, ireo mpanala azy rehefa zoma, ireo mpivarotra manidy tena… eny hatramin’ireo mbola handeha hiasa alina aza.

Vao nitsidika fotsiny ny pitik’orana voalohany ny fiandohan’ny tolakandro, dia tsinjon’ny maro fa ho raharaha : jiro tapaka, rano miakatra, fifamoivoizana mitohana, sns. Izany mantsy no vesarin’ny andro fahavaratra ho an’Antananarivo, kanefa mahagaga fa toa tahaka ny ririnin-dasa tsy tsaroana.

Tsy vao omaly no fantatra fa ranobe tsy hita hodikaina ny eny Besarety, Andravoahangy, Ampefiloha sy ny sisa ; rehefa injay mba milatsala kely ny orana. Tsy voa omaly ihany koa nefa no fantatra fa ny lakan-drano tsizarizary sy/na tsentsin’ny fako no fototr’izany. Tsy vao izao no fantatra fa vokatra entin’ny fahavaratra ny voankazo mahasalama mitobaka eny an-tsena, saingy lasa mpitondra aretina rehefa mivarina eny an-dalambe sy anatin’ny tatatra rehetra any. Tsy vao izay no fantatra fa tsy ampy fitoeram-pako eto an-drenivohitry ny Nosy, ka na misy aza lasa fitobiany mihitsy fa tsy fanariana izany fotsiny… “kisoa sy alika azafady nihodidina fa tsy nisy lalana” hoy Ingahibe izay.

Tsy vao ity taona ity no nisy ny fahavaratra, ka samy ho gaga sy himenomenona ary hifanompa amin’ny anjomara eny isika mianakavy. Samy tompony : tompon’ny tanàna, tompon’antoka amin’ny zava-misy, tompon’ny fahavoazana. Ny tsy fahampiam-paharetan’ny sasany mifanehatra amin’ny tsy fahalalam-pomba faran’izay bitiky ny sasany, miampy ny fandaozan’ny karazana mpandamina rehetra teny amin’ireny toerana ireny dia ampy hiteraka fahasorenana ho an’ny maro. 

Efa ampy ny mahatsiaro, saingy tsy ampy ; ilaina amin’izay angamba ny mijoro, na tsy mbola voatery hihetsika aza. Fahatsiarovan-tena, fifampitsinjovana, fitandremana,… Ireo dia ampy hanombohana. Raha zontsika mantsy ny manao karazan-taky amin’ireo mpitondra isan-tsokajiny, dia adidintsika ny mifanabe rehefa samy ho taraiky eto ihany.

Rakotoarison Ranaivo Frédéric

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne