Tsy ho kandidà ka milingilingy

 Lahatsoratra efa tamin’ny 5 mey 1998 ity no indro mitampody indray dimiambiroapolo taona aty aoriana. Sady faly aho (satria tsy diso ny fijery) no malahelo (noho ny toe-javatra mainka niharatsy). Ny lalana nizorantsika, tao anatin’izay dimiambiroapolo taona farany izay, dia miendrika famonoan-tena amin’ny lafiny maro loatra. Hany ka mahavaky vava ireo mpandinika vahiny manoratra ny hoe «l’énigme et le paradoxe». Ndeha ho adikako hoe «Ankamantatry ny miantsoro mianotra». Efa tamin’izany aho no nanao tsatso-marikivy hoe «Tsy manana gony na sobika eny fa na dia kapoakam-bary aza aho, hamahanan-dalitra anareo, fa dia vokisako resaka sy adi-hevitra ianareo».

(1998) 

Inona moa no isan’ny tsy nampandroso an’i Madagasikara, hatrizay fotoana elabe niverenan’ny fiandrianam-pirenena izay, fa tsy ny fomba ratsy lalan-kita-kisoa fanaon’ny mpanao politika manarato ny vaton’ny vahoaka.

Ireny mpanao politika ireny no voalohan-daharana rehefa hanao kobaka mafana any ambanivolo rehetra any. «Inona no zavatra tadiavinareo, tompokovavy sy tompokolahy, fa manaraka anay ao ny helikoptera mitondra vary, tafo fanitso ary fantsika ho an’ny vahoaka mahavita azy». Firy taona firy taona moa isika tsy nadilo tamin’izany kobaka mafana izany, nandritra ny Repoblika faharoa ?

Tsy mba hevitra no alahatra fa kapoaka, sobika na gonim-bary. Tsy misy fandresen-dahatra fa dia vola adala tompo no afafy. Tsy mifidy izany ny vahoaka fa mandatsaka vato efa voavidy ambongadiny. 

Na ny faritra faralahiny indrindra aza, rehefa tonga ny volon’andro fampielezan-kevitra, dia lasa Ambohipihaonan’ireo mpivarotra kobaka mafana. Tsotra ny hafatra : «Raiso ny kapoaka ary aza adino ny valim-babena amin’ny fotsim-bary indray mihinana rehefa handatsa-bato». 

Fomba fanao mbola tsy hitan’ny ankamaroany izay maharatsy azy ka dia farasisa mandrak’androany. Aza milingilingy mandahatra hevitra mitavozavoza satria tsy hahaleo ny fanomezana tsara lahatra. Ny toky fitaka fa ny atao ihany no hita ka dia omeo aloha ny fantsakana, atolory haingana ny vary, rosoy tsy mila kabary ny baolina. Izay hahalany aloha imasoana fa rehefa tafita mampiady karajia. «Voky ve ianareo ry vahoaka a ? Avy nitotorebika tsara ihany koa ? Fidio ary ny vato namelan-kafatra». 

Izany hatrany no eto amintsika ka fomba ahoana moa ary hoy ianao no hanabeazana ny vahoaka hahay handanjalanja sy hitsikera ? Vary tsy maharitra herinandro akory, sady tsy hanin-katao hahavoky no tsy nofon-kena mitam-pihavanana : izany no programan’asa. Ka izay voalohany sahy mijoro tanam-polo, ka tsy ialohavana afa-tsy ny saina aman’eritreriny, dia ho naman’ny mamono tena. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne