Any an-kafa, izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.
Ahoana moa no tsy toy izany rehefa tsy tomombana, satria iniana atao tsirambina mihitsy, ny fanomanana rehetra mialoha. Firy taona lasa no efa nangatahana ny hanaovana «informatisation» sy «numérisation» ny fanisam-bahoaka, ny kara-panondro, ny lisi-pifidianana, ny fanisam-bato. Rehefa tsy tomombana ireo dia banga sahady ny fepetra iray lehibe : ny fahatokisana.
Atokisana ve ny fanisam-bahoaka, atokisana ve ny lisi-pifidianana ? Raha tena azo antoka, maninona tokoa no tsy atao peta-drindrina isaky ny biraom-pokontany ny lisitry ny mpifidy. Rehefa tsy tomombana ny ara-pitaovana, fara faharatsiny ny mangarahara mba manala ny ahiahy tsy ihavanana.
Iaraha-mahalala, isaky ny antoko politika, fa misy «trai-kefa» manokana ny fangalaram-bato. Misy mpiasam-panjakana mahay ny lesoky ny raharaham-panjakana ka lasa «expert» mihitsy. Rehefa tiana : hafa ny voka-pifidianana amin’ny birao, hafa ny tarehi-marika mifindrafindra tanana maro vao tonga amin’ny Ministera ny Ati-tany na any amin’ny CENI.
Manginy fotsiny ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny fanararaotana ny fahefana : Région, Distrika, CISCO, etc. Resaka fotsiny ny hoe «mpanara-maso iraisam-pirenena» : olona isaina an-tanan-droa, mody misava birao fandatsaham-bato vitsivitsy, dia efa hay tsianjery ny «tatitra» tsara pasoka ho ambarany. Ny tena nahavita ny «fanaraha-maso» teto hatramin’izay dia ilay komity niaro ny safidim-bahoaka napetrak’Ingahy Ravalomanana fony izy mbola mpanohitra, tamin’ny 2001-2002. Ankoatra izay, hala-bato ombieny ombieny tamin’ireo fifidianana tohi-vakana. Matetika mitambesatra ka tsy ahiahy intsony fa loza fanafintohinana.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja