Miaramila dimy arivo sy iray alina no teo ampelatanan’i Gallieni, ka ny enina arivo tamin’ireo dia natokana hiaro an’i Diégo Suarez fotsiny. Tsapany tsara ny fahasarotan’ny raharaha : «Lehibe loatra, hoy izy, ity Nosy ity sy ny morontsiraka dimy arivo kilometatra ho arovan’ny «division» an-dranomasina tsizarizary (...) tsy mora ny miambina an’i Madagasikara miaraka amin’ny miaramila eoropeana roa arivo ary miaramila «indigènes» valo arivo tsy dia atokisana loatra» (Général Jean Charbonneau, «Gallieni à Madagascar», Nouvelles éditions latines, 1950, p.113).
Ny ahiahin’i Gallieni dia sanatria hisy Fachoda hafa eto Madagasikara : ny 21 febroary 1899 mantsy, dia voatery nilavo lefona nanoloana ny Britanika ny miaramila frantsay tany Egypta ka natahotra mafy Gallieni sao hanafika eto ny Britanika haka ny toeran’ny Frantsay.
Fito amby telopolo taona aty aoriana, ny 5 mey 1942, vao nanafika tokoa an’i Diego-Suarez ny Britanika, mialoha ny nidirany tao Mahajanga sy Morondava (10 septambra), Toamasina (18 septambra), Fort-Dauphin (29 septambra) : azon’ny Britanika Antananarivo (22 septambra) fa efa nandositra nianatsimo ny Frantsay, resy indray tao Antsirabe (2 oktobra) sy Fianarantsoa (20 oktobra) vao nilavo lefona tao Ambalavao-Ihosy (6 novambra).
Ahoana tokoa ary hoy ny Gasy tamin’izany mahita ireto Vazaha tena «miady an-trano».
Raha 1942 isika no nanararaotra ny fahavoazan’ny Frantsay ka nandrombaka Fahaleovantena, tsy ho ilay notoloram-potsiny tamin’ny 1959-1960. Tsy ho nisy ny rà mandriaka 29 martsa 1947. Ho nandray anjara feno tamin’ny fivorian’ny «Tsy Miandany» notontosaina tany Indonesia i Madagasikara tamin’ny aprily 1955. Tsy ho ny Lalam-panorenana frantsay 1958 no nalaintsika tahaka. Asa tokoa, raha...
Nasolo-Valiavo Andriamihaja