Isa (isa), roa (ruäh), telo (telo), efatra (äpat), dimy (dimä), enina (enem), fito (pitu), valo (walo), sivy (suäi), folo (pulu). Ny tarehi-marika anaty boraketra dia ny teny maanjan. Io teny io no akaiky indrindra amin’ny teny gasy amin’ny fiteny aôstrôneziana rehetra, izay misampana ampolony maro. Ilay mpikaroka sady misionera loterana, Otto Christian Dahl (1903-1995), izay nonina teto Madagasikara nandritra ny 28 taona (1929-1957), no namakafaka io fihavanan’ny teny maanjan sy ny teny gasy io : «Malgache et Maanjan», Egede-Instituttet, Oslo, 1951.
Ny teny hoe «iray» (erai) dia midika hoe «irery» amin’ny maanjan. Ny «erana», izany hoe «feno» (eran’ny sotro) na «hatraiza hatraiza» (eran-tany), dia mifanandrify amin’ny maanjan «erang» : erang alam hoy ry zareo any Borneo atsimo-atsinanana, vakin’i renirano Barito, raha manondro «izao tontolo izao».
Ny fiforonan’ny isa dia tsy vitan’ny mitovy fanonona fa sahala fandrafetana : roapolo (ruämpulu), telopolo (telumpulu), efapolo (epatpulu), dimampolo (dimenpulu), enimpolo (enempulu), fitopolo (pitompulu), valopolo (walompulu), sivifolo (sueipulu), zato (djatoh), sivinjato (sueidjatoh). Amin’ny arivo dia ny teny indoneziana-iombonana no akaiky kokoa ny teny gasy : libu.
Maro ireo fanontaniana mahazendana raha ny tantaran’ny fihavian’ny Malagasy. Fa isan’ny mahagaga indrindra ity fihavanana akaiky dia akaiky amin’ny teny roa tonta izay elanelanin’ny ranomasimbe, 5000 km any andafin’ny riaka, ary heverina fa nisaraka fara-fahatarany tamin’ny taonjato faha-dimy, izany hoe 1600 taona lasa.
Faranako amin’ilay fampianarana manisa zary tononkalo ny resaka : isa ny amontana (Ficus baronii), roa ny aviavy (Ficus trichopoda), telo fangady (satria hazo ny zaran’ny angady), efa-drofia (isan’ireo teny malagasy vitsivitsy tafiditra amin’ny voambolana iraisam-pirenena), dimy emboka (ilay embok’akondro ambaran’ny ohabolana hoe mamitaka ny alika fa toa hena miraviravy), eni-mangamanga (avy amin’ny hazo aika no nangalan’ny Ntaolo ny loko manga), fito paraky, valo tanantanana (zavamaniry afrikana anefa nantsoin’ny Ntaolo amin’ny teny akaiky ny tagalog any Filipina, nahitana faikany milevina tao Kavitaha-Itasy, toerana nahatongavany tamin’ny taona 1000), sivy rongony (tsy ilay fohana fotsiny fa fanao tady fahiny), folo fanolehana (tenehina hono ny raviny ka omena sotroin’ny alika hihaza ny ranony).
Nasolo-Valiavo Andriamihaja