6 aogositra 1896 - 6 aogositra 2026 : telopolo amby zato taona lasa katroka androany no nandanian’ny Antenimiera frantsay (Sénat + Chambre des députés) ilay «lalàna milaza an’ i Madagasikara sy ny Nosy momba azy ho zanatany frantsay». Tany Brest no nanaovan’ny Filoha frantsay Félix Faure sonia io lalàna io izay tsy fantatra teto Antananarivo sy Madagasikara raha tsy tamin’ny «Journal Officiel» ny alahady 27 septambra 1896, rehefa nataon’i Résident Général Hippolyte Laroche «promulgation» tamin’ny alalan’ny «Arrêté» vita sonia ny 18 septambra 1896. Tsetsatsetra tsy aritra no ilazana fa tamin’io «Journal Officiel» andron’ny 27 septambra 1896 io ihany koa no namoahana ilay «Arrêté proclamant l’abolition de l’esclavage à Madagascar» : «Didy milaza ny fanesorana ny mpanompo eto Madagasikara. Toko 1 : Ny mponina rehetra eto Madagasikara dia olom-potsy».
Roatokom-bolana nialoha izany, ny 14 jolay 1896 ilay «tetezamita» farany : mbola tsy frantsay anefa tsy malagasy intsony. Toy izao no fitantarana izay niseho io andro io : «Tamim-boninahitra lehibe tokoa no nankalazan’Antananarivo ny fety fifalian’i Frantsa. Indray andro mialoha ny fety dia indry ny saina frantsay fa efa nikopakopaka sahady tery an-tampon’ny Rova, ka sady tsy hiala eo intsony amy ny sisa. Dia nopetahana saina sy faneva frantsay Manjakamiadana manontolo. Niaraka tamin’izay dia samy voatsangana saina frantsay daholo ny tranon’ny Malagasy. Isan-tapenaka dia samy misy saina iray» (Ny Gazety Malagasy, zoma 17 jolay 1896).
Mandra-pahatongan’ny 6 aogositra 2046, ndao mody tsy hiverenana ireo lahatsoratra nifanipaka tanteraka tamin’ny 1946, raha efa navaivay ny fifandiran’ny MDRM sy ny PADESM, ka ny andaniny nanjonitra raha ny ankilany kosa nandatsa raha tsy nifalihavanja.
1896-1946-2046 : afaka roapolo taona hafa indray, moa ve mety ho azo antenaina hiaraka hibanjina, hiaraka hanadihady, ary hiaraka hiady hevitra amin’ny fo tony sy saina tsy dia miangatra ny Tantara sy ny Lasa ny taranaka Malagasy isam-poko ?
Efa misy fiovam-pamindra aloha, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny fandraisana ho ofisialy ny hoe «FIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA» isaky ny andron’ny 26 jona. Mbola ambava sy imolotra aloha izany hatreto, saingy tsy misy manakana azy tsy ho am-po sy an-tsaina raha mizotra amin’ny antsakany sy ny andavany ny Fanabeazana sy Fampianarana ary Kolontsaina.
Ka efa nisy tokoa Fahaleovantena, ary Fahaleovantena isam-poko sy isam-paritra. Na dia ny Fanjakan-dRavanalona III (1883-1897) ary no mby an-tsaina avy hatrany, rehefa nandimby ilay Fanjakana neken’ny Firenen-dehibe tamin’ny taonjato faha-19 : Britaina (23 oktobra 1817), Amerika (12 martsa 1883), Alemaina (15 mey 1883), eny fa na Frantsa aza (17 desambra 1885).
Mbola andrasana ilay «Tantaran’i Madagasikara Manontolo». Hatrany amin’ny faran’ny ela indrindra, izany hoe tany andafin’ny anivon’ny riaka. Ny anarana taloha indrindra hoe Andrianizinizina, Andrianalinalina, Andrianerinerina, Andrianahitrahitra, Andriananjavonjavona,
dia ahitana ny fomba fiteny aôstrôneziana : mamerimberina indroa, manantitrantitra intelo, arakaraky ny tsy maha tambo ho isaina intsony. Izinizina, ambadiky ny mazava firifiry akory ; alinalina, impiry impiry nifandimbiasan’ny andro aman’alina. Fotoana taloha efa elabe, fony Razamben’ny Razamben’ny Razambe. Karazan’ny «zandry» taty afara, raha ny hoe Andriamandazoala satria dia mbola fanaontsika taranaka ankehitriny ny mitono ho arina sy kitay ny ala, anaran-tsy very sisa.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja