Misy samy hafa ihany ny dika-tenin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona 8: 32, ka ny safidin’i David Griffiths no tanako : «Ary hianareo hahalala ny marina, ary ny marina handefa anareo» (Ny Teniny Ny Fanekem-Baovao milaza an’Iesio Kiraisity, Londona, 1855).
Raha ny dika-teny anatin’ny Baiboly nadika avy tamin’ny teny grika (The British and Foreign Bible Society, London, 1951 ; Norwegian Bible Society, Oslo, 1951) mantsy, dia hoe : «Ary ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo» (Jaona 8: 32).
Raha amin’ny teny grika anefa, satria hoe nosoratana mivantana tamin’ny teny grika ny «Filazan-tsara nosoratan’i Jaona», tsy mampiasa ny voambolana hoe «andevo» izy fa mifandraika kokoa amin’ny hoe «haha-afaka».
Noho izany, manakaiky kokoa ny hevi-teny tany am-piandohana raha hoe : «Ary ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo (n’ny fahadisoana)». Na ihany koa, ary mbola tsotra kokoa : « Ary ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo».
Hoy ny Ntaolo : «aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga». Ary koa hoe «ny lainga volombodin’ny mosavy». Maromaro ihany ny ohabolana noforonin’ny «Razantsika hendry» mifosa ny lainga: Ny lainga, donga takona fa mahia mifanatrika. Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno raraka.
Ankilany moa dia hoe «fisaka ny marina». Mainka saro-tadiavina ny marina rehefa asian’ny ampanga fisaka sy velesin’ny ampanga lainga.
Rehefa vavolombelona mandainga sy manendrikendrika amin’ny tsy marina, hiaran’ny sazy. Ohatra, tahaka izay napetraky ny andininy faha-148 amin’ny Fehezan-dalàna Dimiventisitelonjato, nivoaka tamin’ny 29 martsa 1881 : «Raha misy manoratra na manao gazety, ka manala-baraka olona amy ny zavatra tsy nataony, dia sazina omby 10 sy ariary 10».
Atsipy ny tady an-tandrok’io omby io, ary ny teny kosa am-pon’ny mahalala.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja