Rakibolana hanalàna andro

Tsy very ny tenin-drazana raha samy mampijoro «Rakibolana» isan-tokantrano. Tsy atao haingon-trano fandriam-bovoka fotsiny fa sokafana indraindray : amin’izay takila (satria takelaka = ravin-taratasy isanisany amin’ny boky ; takila = ny lafiny ambadika sy ambadika amin’ny takelaky ny boky) sendra ny tanana, vakiana izay tandrify ny maso, dia arahina isan-takila ny fanazavana ombieny ombieny. Zohìna tsirairay ny voambolana manavao tokoa na somary mampisalasala. Tapiny (na tapika = zavatra vitsivitsy anatin’ny maro) maromaro asesisesy isak’izay mahatsiaro ve tsy mba hanatevim-pahalalana sy mba hampanembona izay mitady ho very ?

Ny taona 1931, vao am-pahatelon’ny taonjato faha-roapolo tamin’izany, tao amin’ny gazety «Ny Fandrosoam-baovao», no niarahan-dry Ny Avana Ramanantoanina (1891-1940) sy ry Rabearivelo (1901-1937) ary ireo namany hafa tahaka an-dry Charles Rajoelisolo (1896-1968), nanofahofa saina hoe «mitady ny very».

Vao valopolo taona monja nifampikasohana tamin’ny Vahiny (pi-maso amin’ilay lohateny nomen’i Georges-Sully Chapus hoe «Quatre-vingt années d’influences européennes en Imerina», Bulletin de l’Académie malgache, nouvelle série, tome VIII, 1925) dia efa nisy madilana ka saika maito tsy tafita amin’ny taranaka ny (voan)teny sy (hain)tenin’ny Ntaolo. Ahoana hoy ry zareo nanao ny Fitarihinteny nisantarana ny «Firaketana» (taona 1937) : «Fantaro amin’ny fiteniny. Fotory amin’ny fiteniny. Karohy amin’ny fiteniny. Anontanio ny fiteniny. Fakafakao amin’ny fiteniny. Na inona na inona tianao hofantarina momba ny ntaolo malagasy sy ny tantara tranainy, dia ny teny malagasy ihany no azo avadibadika hamantarana izany».

Niezaka tokoa ireo zokintsika : na lahatsoratra tsotra, na ady rima, na kalon’ny Fahiny. Namoaka boky, nanoratra an-gazety, namorona hira. Latsy marososona mba hampijoro matanjaka ny rindrin-jozoro. Kofehy ela nanenomana ka lamba inona no tsy ho vita, na dia sarika monja aza. 

Vahotra ve ny lela, sa harafesenina mihitsy ny vava. Kasa ho simaka, ka asa izay mbola hombo vy. Izao ataontsika izao dia solohoto amim-piraka ka may miara-mirendrika, fa tsy fitia mifaham-bola (jereo Rajonah Tselatra, 1863-1931). 

SODIFAFANA : zavamaniry fanao ody rohana (brebophylum calycinum). Anisan’ny zavamaniry mateza ka nambolen’ny ntaolo niaraka tamin’ny zozoro sy fandrotrarana teo amin’ny zorony avaratra atsinanana raha nanorin-trano izy .

ROHANA : aretina manaintaina sy mampangotsokotsoka any amin’ny famavanin’ny taolana

FAMAVANY : ny tonon’ny taolana na zavamaniry

FANDROTRARANA : karazan’ahitra mandady maro tonona

TONONA (na TONINA) : faritra mampisaraka ny vaniny na ny famavany anankiroa

VANY : ny faritra anelanelan’ny tonony roa

ZOZORO : zavamaniry any anaty rano, telo rirana, fanaovana tsihy na sobika ny hodiny

SOBIKA (na SOBIKY) : harona makadiry. 

Marihina fa tsy teny frantsay velively. Ilay hoe «soubique», hita indraindray, dia teny «créole» tsy voatanisa amin’ny dictionnaire Larousse (1899), tsy fantatry ny «Vocabulaire franco-malgache» (Malzac, 1900). 

TSIHY : tahon-javamaniry madinika - toy ny zozoro na ny herana na harefo - voarary ka atao lafika hipetrahana na hatoriana na hisakafoana (atao hoe fandambanana izy amin’ity farany ity). 

HERANA : karazan’ahitra vaventy sy mivela-dravina, miara-maniry amin’ny zozoro eny anaty rano na eny an-keniheny, ary fanaovana tsihy na harona na fanafoana trano (cyperus latifolius). 

HAREFO : karazan’ahitra tsoatokana lava sady poaka aty ny tahony, maniry eny amin’ny hotsaka ohatra ny zozoro, ary fanaovan’ny olona tsihy, harona, satroka.

FANDAMBANANA : tsihy lehibe velarina rehefa hisakafo 

Tohizantsika ho fanazarana ny «Tranobongo», diampenin’i Fredy Rajaofera (1902-1968), ary isan’ireo «Lahatsoratra voafantina», eninambiroapoloambizato, finidi’i Prosper Rajaobelina (1913-1975) : 

Tranobongo tafo herana

Varavarana zozoro

Tsihivitrana mihorona

No gorodona ilasiana

Ary saingona sy horona

No kidoro mba fandriana

SAINGONA : karazan’ahitra fanao kitay

HORONA : karazan’ahitra fanao kitay sy kifafa koa noho izy henjana ; ny horompotsy dia malefaka kokoa ka fanao sesi-kidoro (Lahatsoratra voafantina, 1949) ; anarana ilazana ahitra lava taho sy ravina mpaniry eny an-tampon-tanety sy ny valamparihy. Misy vanimbaniny hoatra ny fary ny tahony saingy izy madinika araka ny maha-bozaka azy. Henjana ny tahony : ny vodiny dia mamototra be misy fakany madinika maro indray miainga avy eo am-potony dia misandrahaka anefa tsy lava, ka tsy dia milentika lalina any anaty tany. Fanao tafon-trano tsara ny horona. Ny tany kisolosolo sy ny fefiloha tsy tiana hokaohin’ny riaka dia ambolena azy. Ny horondahy fanao satroka mbamin’ny harona. Ny horon-tsofina : tahon-korona kely sady atao fohy dia aiditra eo amin’ny lavaka notevehina eo amin’ny ravin-tsofina mba hisakana ny loaka tsy ho hifotra (Firaketana, 1955) ; karazan’ahitra fanao kitay, na kifafa koa, noho izy henjana (Rakibolana, 1985). 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

1 Commentaires

Plus récente Plus ancienne