Ingahy Rakibolana

«Tsangambato vavolombelon’ireo andrarezina sady nahafehy ny tenindrazany no nahafolaka ny teny frantsay, nahay nampifanindra, tsy nanafangaro no sady tsy nampifanandrina, ny kolontsaina frantsay sy ny kolontsaina malagasy» : izany no fitantaran’i Mompera Paul François de Torquat an’i Rajemisa Raolison Régis ao amin’ilay boky Le Collège Saint-Michel : 1888-1988 (tak.103, note 15). 

Teraka tamin’ny 8 mey 1913, Rajemisa Raolison Régis. Folo taona ngarangidina, nanomboka ny taona 1933, izy dia nampianatra tao amin’ny kolejy jesoita Saint-Michel. Poety nanoratra na tamin’ny teny frantsay na tamin’ny teny malagasy, ary mbola diam-peniny ihany koa ilay «Dictionnaire historique et géographique de Madagascar» (1966) sy ny «Rakibolana malagasy» (1985). Tafiara-dia teo anivon’ny «Centre d’Études et d’Information sur la Langue et la Civilisation malgaches» izy sy Rajaona Siméon (1926-2013), namela ny «Takelaka Notsongaina» (1961 sy 1963). 

Rahajarizafy Antoine de Padoue (1911-1974), Rajemisa-Raolison Régis (1913-1990), Rajaona Siméon (1926-2013) ; hatramin-dry Razafintsalama Jean-Baptiste nantsoina hoe Dama-Ntsoha (1885-1963), izay nanoratra boky maromaro very tadidy ka tokony hatonta indray ; sy Rajaobelina Prosper (1913-1975), verivery tantara ankoatra ireo izay tena nahalala azy : 

maintimolaly indray nihira ireo, mbola namelovelo ny taonjato faha-19 na dia nampiasa teny frantsay aza, eny fa noho ny andavanandron’ny vanim-potoana fanjanahantany ihany aza. Nahavita namela ho lova mbola azo atao vakiteny isanandro ny tsipelina, ny fombam-pitenena, ny lahatsoratra ary ny filozofia malagasy. 

Nota : Fahiny dia tokana ny anarana, na dia nety ho samy hafa aza ny fony kely sy ny efa lehibe (ohatra : Ramboasalama lasa Andrianampoinimerina, Ingahivony lasa Rainiharo, Rabezandrina lasa Rainandriamampandry). Fanampin’anarana amintsika ny «prénom», saingy noho ny «fahazarana», jereo raha tsy manavao sy manavia ny hoe Rajemisa-Raolison Régis noho ny hoe Régis Rajemisa-Raolison.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne