Ahoana loatra mihitsy ary ireo raiamandrenintsika tamin’ny 26 jona 1960, satria moa toa tsy dia nanaitra loatra ny besinimaro ny andron’ny Repoblika (14 oktobra 1958) na ny nankatoavana ny Lalam-panorenana voalohany (29 aprily 1959).
Na ny fiteny aza, vao haingana ihany no filazàna hoe «fiverenan’ny Fahaleovantena» : maheno na miteny izany, firy no mahatsiaro, na mba eritreritra miserana ihany aza, ilay Fanjakana tamin’ny taonjato faha-19, nifanerasera tamin’ny firenen-dehibe : Great Britain, France, USA, Deutschland ?Faha roanjato taonan’ilay taratasim-pihavanana tamin’ny 23 oktobra 1817 anefa no nampivahiny ny zanaky ny Mpanjakavavy anglisy teto amintsika tamin’ny 2017.
Tratry ny Asaramanitra. Sanatria ka lasa varotra fotsiny indray koa : mividy ambongadiny «trésor pays» na manofa ireo toerana mierinerina miampofo an’Anosy mba hahatazana tsara indrindra ny afomanga.
Fahaleovantena ahoana, raha vahoaka bemihimpy velon’ny fandrobana sy fangalarana tahaka ny tamin’ny 26 janoary 2009 sy 25 septambra 2025.
Fahaleovantena inona, raha fanimbana ny Vakoka tahaka ny fandorana ny Rovan’Antananarivo ; na fanazimbana tahaka ny fananganana «zavatra» manafintohina ao Anatirova ; na fanitsahana ny Kolontsaina amin’ny fanaovana tsinontsinona ny tenin-drazana na an-tsoratra na an-kirahira.
Fahaleovantena rahoviana, raha toe-tsaina tsy mahay akory manaja ny fitsipika kely indrindra na amin’ny fahadioavana, na amin’ny fifamoivoizana, na amin’ny fifanajana anaty fiaraha-monina.
Fahaleovantena mba ho vanona ihany ve raha ny lehibe mamba noana manondrana antsokosoko vatosoa sy volamena ary andramena ; ny kely mpanao hala-boty manongotra takela-by, mihady «batterie», mamaky fasana.
Fahaleovantena anaran-tsy very raha fampahantrana ny firenena, ka demokrasian’ny vahoaka faraidiny, mangan’ny fahoriana, hatsatry ny henatra.
Rainandriamampandry, ilay maty notifirin’i Gallieni, no rain’i Dokotera Rajaonah, izay nanoratra ireo andian-dahatsoratra hoe «Japana sy Japanesa» tao amin’ny gazety «Mpanolo-tsaina», ny volana oktobra 1889, rehefa avy nandranto fianarana tany Edimbourg (Skotlanda), nandritra ny iraikambinifolo taona (1871-1882). Nofohazin’i Pastora Ravelojaona ireo lahatsoratra ireo, dimy amby roapolo taona aty aoriana, tamin’ny andron’ny Vy Vato Sakelika.
Taona 1889 na 1914 : mba nosy niandrandra ho Japana ihany isika kanjo nivarina ho androrosy : tompony mangataka atiny, tompon-trano mihono, vatolampy mpiasabe andihizan’ny vahiny.
Fahaleovantena manao akory : sanatrian’ny vava, aladirin’ny lela, hoe tsy ho tafarina intsony satria nivarina ambany loatra. Asaramanitra mba ho tonga saina, asaramanitra manome adidy, asaramanitra mampisikimponitra fa tsy falihavanja hitehaka afomanga.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja