Lalana mihemotra

Lalàna-Fandaharan’asa (Loi-Programme) tamin’ny 13 desambra 1961 (izay mbola voatanisa tamin’ny didi-panjakana septambra 1999) no namaritra ny hoe «Réseau de l’An 2000». 

Tamin’ny 1969, 38.000 kilometatra ny halavan’ny lalana, ka ny 2.560 km no Lalam-pirenena vita tara. Dimiambidimampolo taona aty aoriana, mety ho samy hafa ny tarehi-marika, saingy mitovy ny zavatra ambarany : nihena am-pitoerana ny lalana voarakotra tara teto Madagasikara, ka mbola azo antsoina ihany hoe «Lalam-pirenena». Fantatry ny mpanao fitaterana sy ny olona rehetra mivezivezy mampiasa ny lalana izany. 

Ny taona 2007, ny JICA (fiaraha-miasa japoney) dia hentitra fa 25.100 km no totalin’ny Lalam-pirenena sy Lalam-paritany, ka ny 5.600 km (izany hoe 22%) no hany voarakotra. Taona 2026, efa ho roapolo taona aty aoriana, manontany ny IA aho, dia io tarehimarika farany io ihany no mbola avoakany. Mbola mba misy mahalala ihany ve firy kilometatra marina sisa ny lalam-pirenena hany «vita goudron» eto Madagasikara. 

Ny Fanjakana malagasy, talohan’ny nidiran’ny Frantsay tamin’ny 1 oktobra 1895, dia ninia, ary tsy nanan-kevitra mihitsy hanao Lalam-pirenena. Izany no nataony dia mba hanano-sarotra ny fanafihana ny foiben-panjakana aty Antananarivo. Raha avy any Toamasina tokoa mantsy, dia sahirana tamin’ny «Jeneraly Ala» sy «Jeneraly Tazo» izay mpanani-bohitra. Saingy, avy any andrefana, tao Mahajanga tamin’ny 14 janoary 1895, no niditra ny Frantsay : ka, na nisy «Tazo» aza, nahalana «Ala». 

Sady nandroso namaky lay ny miaramila no nanaraka nanamboatra lalana ny «Génie», antoko amin’ny tafika ihany, mikarakara ny Asa Vaventy. Dia io lalana RN4 ankehitriny io, izay vitan’i Gallieni adim-pamataranandro 18 ora, tamin’ny fiara Panhard-Levassor, ny 350 km manasaraka an’Antananarivo amin’i Maevatanàna. Tamin’ny volana septambra 1900 izany. 

126 taona aty aoriana, tarehin’ny mitambotsitra miverina amin’ny «fady lalana» faha-Mpanjaka ny Repoblika Malagasy, raha ny Lalam-pirenena feno lavaka sy revo-potaka. Mbola sasa-miandry aman-taona ireto BTP ela dia ela fiasa ireto. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne