Nisy folo taona mahery tokoa no nihotsaka ny lalana mandalo ny kianja Betongolo, aty ambanin’Ampahibe, ka voatery natao lalana azo ifanenana ny lalana mandalo ny Fiangonana katolika Mangasoavina. Izany moa no fe-potoana fanamboarana eto amintsika : tsy misy zavatra vita haingana fa toa efa fomban-tany mihitsy ny fiandrasan- dava.
Maro amin’ireo mpitondra fiara ankehitriny no mbola tsy nanana «permis de conduire» tamin’izany, hany ka tsy nahafantatra mihitsy hoe, raha avy Ambodirotra ka hihazo Besarety, dia mihodina ery amin’ny vavahady faharoan’ny Toby miaramila.
Vao haingana, naverina ary io fihodinana somary manalavi-dalana io. Napetraka ny takela- by hay vakian’izay rehetra nanala fanadinana «Code de la route». Saingy tsy ampy intsony izany raha eto Antananarivo.
Ankoatra ny fahazarana, dia eo koa ny fitiavan-kely sy ny tsy firaharahiana tsotra izao. Nisy polisy ihany nijoro nanoloana ny Fiangonana iraisam-pinoana am-pitan’ny Ministeran’ny Fiarovana, fa tsy naharitra dia nafindra toeran-kafa. Any amin’ny firenena efa mihoatra ny maha-biby, tsy ilaina ny polisy isan’ankodimirana, fa amin’ny firenena mivarina ho very ny maha-olona, mila ambenana tahaka ny omby.
Mbola hisy lozam-piarakodia hahatsiravina manoloana ny eo Mangasoavina. Ny miakatra, manaraka ny ara-dalàna, mifanehatra tampoka amin’ny mpangala-dia tsy manaja «sens interdit». Tsy scooters ihany fa fiara ihany koa. Asa, andrasana hisy faty olona, tahaka azy mianaka niantotan’ny «conteneur» teny amin’ny RN2 angamba, vao handray fepetra ary hanasazy hentitra : fanagiazana ny fiara na ny scooter ary fisintonana «permis de conduire», fara faharatsiny.
Fiaram-panjakana, «plaque rouge», mahavita manoha-riana. Tahaka ilay fiaraben’ny Fivondronana nifanehatra tamiko indray alina, hamonjy dabam-pako ambonin’ny kianja Betongolo.
Izany Antananarivo, izany Madagasikara, izany ny Gasy. Izany no hikaon-doham- pirenena. Izany no manan-jo hifidy. Izany no vahoakan’ny «demokrasia» eto.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja