Mbola ao amin’ny «Tantaran’ny Andriana» ihany. Lovantsofina nangonin’i Mompera jesoita François Callet nandritra ny roapolo taona (aogositra 1864 ka hatramin’ny mey 1883). Ity ampahany ity dia tamin’ilay vita boky ny taona 1873. Efa hitantsika fa mibahan-toerana ny teny sy asan’Andrianampoinimerina, mbola tsy afaka antsain’ny vahoaka, na dia efa niamboho enimpolo taona talohan’izany aza «Ny Ombalahibemaso». Na dia «tsy roa no mandidy» aza anefa, dia an-teni-miera, satria ny hevitra tsy azo raha tsy amin’olombelona.
Tsy nitsiry tampotampoka ihany koa anefa ireny hevitra ireny, satria fahendren’ny Ntaolo nifandovan’ny Mpihevi-panjakana. Aleo ho tsiahivina satria hatramin’ny taloha ka mandrak’ankehitriny mantsy dia tsy nilaozan’ireo mpanolo-tsain-dratsy. Ny adi-hevitra voatantara eto dia nifandaharan’ny Tandapa maro : Ratsiampiry, Rabefiraisana, Rahagamainty, Rahagafotsy, Andriamambavola, Andriantsoanandriana, Rainitsimindrana, Ralala, Andriankotonavalona, Rainibozaka. Fametrahana an-dRatsiampiry hitondra an’i Marovatana no nivoriana teto. Rehefa nanome toky Ratsiampiry dia niteny tamin’Andrianampoinimerina hoe : «Masìna ianao Tompokolahy ! Raha ny fitondra ny kamboty sy ny malahelo sy ny majinika sy ny mitondra tena, matokia ianao : izaho lehilahy voky ka tsy mba mitsiriritra ny an’olona».
Rainitsimindrana : Ny hariana (harena) tahaka ny volonorona : kely alana, maharary; be alana, maharary. Ny lehibe tsy maintsy hitondra adidy na marina na tsy marina, koa izany tsy hita hahatahotra fa ny marina entina ihany no tano mafy. Ary izaho mananatra anareo lehibe rehetra : ianareo ireo no Ambaniandro, koa izay hevitrareo mahatsara ny vahoaka ataovy, fa tsy mba ny hevitry ny maro tsy akory no mahatsara azy fa ny vitsy tsara. Fa ny hevitra, raha maro loatra, mivily ny sasany. Ary tahaka ny mpanihika, raha maka ambany loatra dia fotaka no azony, raha maka ambony loatra dia fako no azony. Atao antenatenany, tsy momba ny ambony, tsy momba ny ambany, izany no fanao. Ny Andriana (ny Mpanjaka izany) tahaka ny lakana, k’izay amiliana azy dia aleha, k’aza avilivily ny hevitsika, fa isika no mpivoy. Ka raha ny mpivoy no mamily, dia mivily ny lakana, ka mandrendrika, be ny maty. Tsy ny mpivoy no mandrendrika azy, fa ny mpitoetra no ratsy fitoetra. Isika izao no mpivoy ary ny vahoaka kosa no mpitoetra : koa izy raha mihilangilana ratsy fitoetra, rendrika izy. Ralala : Inona no lakana ?
Rainitsimindrana : Tany onenana.
Ralala : Ary inona ny mpivoy ?
Rainitsimindrana : Dia ny mpifehy sy ny loholona sy isika mpihevitra. Ka raha ireo no ratsy fitarika ny vahoaka, ka entina mivily ny olona, tsy avelany ipetraka tsara amin’ny tany onenana, mivembena ny olona entin’ny mpifehy mivilivily, dia rendrika ny olona. Tahaka ny mpivoy lakana mahay, ka tsy mba miheri-javatra, fa izay hahatafita no heverina. Tahak’izany isika : izay hahavita ny antsika no atao, fa tsy miroaroa saina ary tsy mivadibadika, f’izay teny tokana no azonina.
Nasolo-Valaivo Andriamihaja