Raha maty meloka, tsy mahazo tantara

Ao amin’ny «Tantaran’ny Andriana», amboaran’ireo lovantsofina nangonin’ilay jesoita François Callet, rehefa nahavatra nitety an’Imerina izy (aogositra 1864 ka hatramin’ny mey 1883), dia mibahan-toerana ny teny sy asan’Andrianampoinimerina, izay nahavory indray an’Imerina, ankevitry ny taona 1792-1810. Raha ny resaka sy ady-hevitra maro voatantara ho nifanaovan’izy Mpanjaka tamin’ireo Mpanolo-tsaina, indrindra fa Hagamainty, dia tsy nitsiry tampoka fa fahendren’ny Ntaolo nifandovan’ny Mpihevi-panjakana. Tsy mahadiso, fa adidy aza, no mampatsiahy ireny satria mbola misy ho tsakoina tokoa. Indrindra fa «ny tanety lava misy isainana». 

Hagamainty : Masìna ianao, Andrianampoinimerina ! Fa fantatrao ihany ny hitondranao ny vahoakanao. Koa aza mamitaka anay mpihevitra, fa ny fahandrianana anao, raha ny fiheverana mba manana izahay. Izay hahatana ity tany ity no ataovy, ary izay hevi-panjakana hahasoa ny vahoaka no ataovy. 

Andrianampoinimerina : Lehilahy io Hagamainty io ! Eny, izay Andriana tompoin’ialahy, manana anjara, indrindra tompoinareo rehetra ireo, lehilahy tsara fanahy daholo ! Mba ataovy amin’ny zanako izao hevitrareo izao amin’ny farany.

Hagamainty : Na eto anatrehanao aza, raha misy adala, anarinay. Fa na ianao aza, ka manao «Teniko fa Andriana», ka tsy mba hihevitra amin-draiamandreny: lavinay lehiroa.

Andrianampoinimerina : Mankasitraka anareo aho, sy mankatelina, fa manan-draiamandreny tokoa aho. Voahevitsika izao ny tsena, ka matokia kosa ianareo lehiretsy, raha izao hevitrareo ataonareo amiko izao, dia ataoko lovanjanakareo kosa, mba ho lovain’ny zanakareo ny fahalehibiazanareo. Ary mba hisy zazalahy hahatoraka an’ialahy Hagamainty any aoriana any !

Hagamainty : Tsara tso-dranonao Andrianampoinimerina, tsy maintsy hisy zazalahy hahazaka ity tany ity, ary mba hihevitra tahaka ahy koa any amin’ny aoriana any. 

Andrianampoinimerina : Ny ray soa, saro-diasana. 

Izy rehetra : Tsy hilaozan-jafy maniry tandroka, aza atao very tantara izahay.

Andrianampoinimerina : Matokia ianareo fa ataoko tsy very tantara mandrakizay izao lehilahy nanao soa ahy izao. Raha mbola tera-dRalesoka sy Rasoherina no Andriana amin’ity tany ity, ataoko tsy very tantara ianareo. Izaho Andriana mahavaly soa. Andrefa tandremo : raha maty meloka ianareo, tsy mahazo tantara. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne