Tantara mitohy (3) : Ranavalona III

«Izaho Ranavalomanjaka III, nandova fiandrianana tamy ny Razako ary ambany ny fahefan’ny Repobilika Frantsay, Manjakany Madagaskara, sy Mpiaro ny Lalàn’ny Taniko» : io no fombam-pitenenana manokatra «Ny Gazety Malagasy» (Journal Officiel de Madagascar et de ses dépendances), ny zoma 20 martsa 1896. 

Ilay «Ny Gazety Malagasy» natsangana tamin’ny jona 1883, dia novan’ny Frantsay ka io no laharana voalohany amin’ny «Nouvelle Série» : 13ème année, Nouvelle Série, N°1.

Vae victis, hoy ny teny latina : «Malheur aux vaincus», Raharaha tokoa ho an’izay resy. Teto Ranavalona III dia nasaina namoaka (promulgation) ny «Lalàna amy ny Fananana momba ny Tany», nialohavana sasiteny manindrona ankolaka ny «Tany Gasy» : «Fantatrareo fa teo aloha dia nisy hiany fomba tsy mety natao izay nahatonga tahotra sy ahiahy... Fa amin’izao kosa dia tsy hisy intsony izany. Ny tompon’ny tany dia mahazo mangataka taratasy misy plana milaza ny faritry ny taniny ; ary rehefa mahazo izany taratasy izany izy, tsy misy olona eto ambonin’ny tany, na dia Izaho Mpanjaka aza, mahazo mikasikasika ny taninareo». 

Ny androtr’io ihany koa no namoahana ny «Lalàna amy ny Fokon’Olona» : «Izao no lazaiko aminareo : ny nanaovana ny Fokon’Olona, dia isan’ny zavatra tsara indrindra hatramy ny razambe teo aloha...». Ny Fokonolona tokoa dia mba isan’ireo andrim-pandaminana tena teratany (hita, ohatra, amin’ny andininy faha-4 amin’ny Didy ho an’ny Sakaizambohitra tamin’ny 14 jolay 1878) nahagaga ny Frantsay ary nampiaiky azy ka nampiasainy. 

Ny 19 novambra 1896, telo andro mialoha ny hanendrana azy ho Governora Jeneralin’ny Betsileo (22 novambra 1896), dia nentanina Ratovonony, 13 Vtra, printsin’Isandra, hanatona ny Résident Besson mba hangataka ho soloina ny 14 jolay ny andron’ny Fandroana : iaraha-mahalala fa ny androm-pandroana fony Ranavalona III, dia nianjera io 22 novambra io indrindra. Ka fanahy iniana izany ny fampodiana ny Governora merina tamin’io andro io : tahaka izay natao ihany koa tany Andevoranto, ohatra. 

Tao amin’ny «Ny Gazety Malagasy», nivoaka ny 20 novambra 1896, dia andalana kely efatra sisa no fampilazana : «La fête du Fandroana aura lieu ce soir, cette fête conservera un caractère exclusivement malgache et privé ; la Reine a adressé elle-même les invitations».

Ny boky nosoratan’i Jean Carol («Chez les Hova») dia milaza hoe tsy nasian’ny Frantsay tonga tao Anatirova hasina sy haja hono io Fandroana farany io : «La dernière Fête du Bain fut l’occasion du plus sanglant affront que nous puissions faire à la Reine et à son peuple. Au milieu de cette cérémonie purement malgache, qui se passait dans une salle du palais, les rires, les moqueries, la tenue indécente de certains colons furent en quelque sorte approuvés par la présence du chef d’État-Major, lequel - au mépris de toutes les convenances - s’était arrogé la première place et la direction des rites dans une assemblée où il n’aurait eu le droit de figurer que comme invité. Ce jour là, sans la moindre apparence de raison, sans ombre de respect pour la femme qui était dans la Reine, nous bafouâmes publiquement la plus ancienne et la plus chère des traditions malgaches. Ranavalona abrégea les cérémonies : rentrée dans ses appartements, elle fondit en larmes». 

Vae victis. Tanteraka tokoa ny nanafoanana ny Fandroana ary nanasandratana ho fetim-pirenena ny 14 jolay, rehefa notapahin’i Gallieni tamin’ny 5 mars 1897.

Vae victis. Tanteraka tokoa ny nanafoanana ny Fandroana ary nanasandratana ho fetim-pirenena ny 14 jolay, rehefa notapahin’i Gallieni tamin’ny 5 mars 1897.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne