Fantaro ny Tantara

Teny Mialoha : Famerimberenana, hono, ny fampianarana. Ka, na dia somary mampalahelo ihany aza hoe adino sahady ny «lesona» omaly, dia mbola tsy kivy mamerina lahatsoratra efa natao tamin’ny 13 jona 2020. Faly satria hiala tao Anatirova ilay «zavatra» nanafintohina. Ketraka sahady indray anefa satria «Rovan’i Manjakamiadana» indray no ambaran’ny sasany : «Rovan’Antananarivo» no izy, satria Manjakamiadana dia Lapa. Na dia Manjakamiadana aza no lehibe indrindra, ka tazan-davitra amin’Imerina Efa-Tokon’Andriamasinavalona, dia singa tahaka an’i Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa, ny Fiangonana ary indrindra ny Fitomiandalana sy ny Fasana roa hafa. Ny Rovan’Ambohimanga tsy hoe «Rovan’i Mahandrihono», ny Rovan’Antananarivo, tsy Rovan’ny «Palais de la Reine». Fantaro ny Tantara, antsangano ao an-tsaina ny manda miaro ny #Tany_Teny_Tantara. 

Tahaka ny kabary am-pamoizan-kavana ity izy ka «tsy ny fahoriana no mahafaly, fa ny fihavanana asehonareo no mahavelombolo». Mifoha amin’ny Tantara daholo ny olona rehefa voakitikitika ny Rova. Mitombo ireo Pejy Facebook maneho sary «Fahiny», mahaliana olona ny Pejy miresaka ny «Fahagola», olona betsaka no mikaroka ny sarin’ny Rova «Taloha».

Amin’ireo olona malahelo na tafintohina fa misy singa manova ny endriky ny Rova namelan’ny Andriamanjaka azy, betsaka no tsy mahazo nahoana no tokony tsy azo ho ovaina ny «Trano Gasy» na dia tompony aza izy. Nahoana no tokony tsy arodana ny «tamboho gasy». Nahoana no tokony tsy totofana i Betsimitatatra, na i Laniera, na Imerimanjaka.

Endriky ny tendrombohitra ve ny vatolampy sa tsy maintsy ho vakiana ho vatokely ? Tahaka ilay fiteny taloha hoe «Ho lany rahoviana ny ala atsinanana», misy mihevitra angamba fa azo angalana tsy misy fiheverena ny vato etsy Ambatomaro-Ankatso. Ambohimarina-Fiakarana any Marovatana, Ambohitrombihavana na Manankasina etsy Avaradrano, Iharanandriana manamorona ny Lalam-pirenena faha-7 : toerana manan-tantara tandindomin-doza raha adino ny Tantara...

Amin’iny Lalam-pirenena mankany Arivonimamo iny, eo Ambatomirahavavy eo, misy Vatolahy kamboty satria notrongisina ny tany manodidina dia mihanjaka eo ilay Vato namelan-kafatra. Etsy Andrononobe, very anarana ho «Analamahitsy-carrière», misy fasana ntaolo lasa milingilingy ambony tsilovato satria tapitra novakiana ny vato manodidina vao mody tsy nokasihina ilay fasa-manirery. 

Ahitana fasana tranainy hafa etsy Ambanidia-Ambatoroka na eny Analamahitsy : ataon’ny olona fanahazan-damba fotsiny. Any amin’ny firenen-kafa, izay tsy mahagaga raha mandroso noho isika satria manaja ny Tantara izy, ireny toerana ireny misy soratra isintonana ny Vahiny (sy ny Teratany). Rafitra fasana tena tranainy sa pai-bato vao tamin’ny taonjato faha-19 : arkeôlôjia izany, fototra ahafantarana Tantara...

Ilay Tantara heverin’ny olona, tsy ao Anatirova ihany. Antsahatsiroa (loharano namatsy ny Vohitra anefa tadiavin’ny sasany ho atao parking na building); Andohalo (dobo hafa koa izay niavian’ilay hevi-diso fa misy «fahagagana» teo raha natokana ho an’i Victoire Rasoamanarivo ny toerana) ; Farihin-dRasahala (dobo antehezam-bohitra voalaza ho nandentehina an-dRavaonimerina, vadin’Andrianampoinimerina nampamonoiny)...

Hatramin’ny lakandranon’Andriantany manana ny tantarany : sady manondraka ny tanimbarin’i Betsimitatatra no fivoahan-drano mianavaratra-andrefana. Taloha hono, vao tamin’ny taona 1935 tany ho any, mbola azo nolakanina avy eo Ambodin’Isotry mipaka any Anosy-Avaratra. 

Iza no diso ? Ny vahoaka tsy mahay Tantara sa ny mahay Tantara tsy nahay nampianatra ? Raha izay enimpolo taona niverenan’ny Fahaleovantena izay, ka mba nomena lanja sy hasina ny Tantara, efa hay hatrany amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra izao toa zava-baovao amin’ny maro ankehitriny izao. Na ny nahamay ny Rova aza, 25 taona lasa, toa mbola tsy ampy ihany mba nandrisika ny Fanjakana sy ny Vahoaka hanao anakandriamaso ny Tantara.

Tandindomin-doza ny Tantara sy Kolontsaina ary Vakoka. Ahiana ho very tadim-poitra ny taranaka. Manana safidy isika hanarina, na hitozo hivarina. Na hanome fitaizana sy fanabeazana ary fampianarana manara-penitra ny zanaka amam-para na hanarama «mpampianatra FRAM» hanampy trotraka ny kitoatoa.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne