Fandriky ny tena (29 septambra 2022)Ambaniandro tsy mila kisa fa sarotiny (7 oktobra 2022)

Ireto, atambatro eto ambany, lahatsoratra natao tamin’ny fotoan’androny rehefa tsy nahalala fomba nanaotao foana tao Anatirovan’Antananarivo ilay fitondra teo aloha nitondra fanafintohinana isan-karazany. «Fa, izay tefitefin’olombelona, mbola ravan’olombelona».

Lany haika, fa inona moa no efa tsy nambara mahakasika ny Rova. Fa indrindra ny tsy tokony atao.

Tsy misy zavatra maika mihitsy eto amin’ny firenena, fa tsy maintsy ny Rovan’Antananarivo no fo tsy aritra ? Izay indray, raha mba mikarakara am-pahendrena, fa tsy maintsy manangan-tsampona manafintohina.

Ny famerenan-kasina tsara indrindra, ho an’ireo Lapa nolovaina tamin’ny Tantara, dia mampita ho lovain’ny taranaka ny fahaiza-manao, efa ho very tadidy, amin’ny mari-trano hazo. Tsy ny trano mitsangana ihany no vakoka, fa ny fombafomba nananganana azy indrindra ihany koa. Mety mora ny manisy fantsika hitazona ny savily, fa ny varavarana taloha an-dahiny, dia arahina araka ny nanaovan’ny tompony azy raha hoe hamerina azy amin’ny fombany fahiny. Raha izao mantsy no mitohy, hanao Trano Kotona sy Lapa amin’ny imprimante 3D, dia hanantena famindram-pon’ny UNESCO. 

Lany rora miala nenina. Hoe, sao mbola misy hendry azo anarina. Hoe, atsipy ny teny, am-pon’ny mahalala. Tenenin-dava, ohatran’ny hoe halozàna ; avela anefa, manombika akoho. Efa tsy te-hiteny, ankoatra izay efa voalaza, ombieny ombieny, fa dia sarotra no tsy hiloa-bava rehefa matetika loatra ny mampiteny ny moana.

Ny tena manahirana dia ho very tanteraka ny fahatokisana. Raha tsy efa very. Inona no mbola kononkononina hafa ao Anatirova ao ? Di-doha amin’ny saim-pantatra. Dia mba mahagaga ihany raha tsy misy na dia tapian’olona iray aza, amin’ny Tandapa, mba sahy mijoro hoe «aoka fa tsy mety». Raha tany amin’ny Antemoro, na tany amin’ny Sakalava, ho sahin’ireo natao toy izao, fa ny eto Imerina moa moramorain-javatra hatramin’i Gallieni.

Soa fa, izay tefitefin’olombelona, mbola ravan’olombelona ; izay kitoatoa nataon’ny sasany, hain’ny hafa mbola arenina.

Miorika, lanin’ny mamba, mivalana, lanin’ny voay : hijanona, ho latsalatsain’ny mpanoro vohana ; hanohy, ho fatin’ny vavam-bahoaka. Tena hadivorin’Andriantoarivo, araka ny ohabolana : atao marivo, ho afaky ny fahavalo ; lalin-doatra, efa fandriky ny tena.

(Hitohy)

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne