Volana janoary toy izao indrindra, telo taona lasa sahady, no nitsikeran’ny Mpitandrina FJKM ilay «fitondrana sady nanafintohina no nanapatsinay», soa fa niongana tamin’ny septambra-oktobra 2025 farany teo.
Teny arivo, kabary zato, toriteny tokana dia misamboaravoara. Raha tsy mpitondra Fiangonana moa izany no miteny dia mody marenina ireo Mpitondra. Zavatra efa voatanisa ombieny ombieny mantsy ireo notsinian’ny Pastora FJKM ireo.
Fahatsapana ny herin’ny fivavahana rehefa ombàn’ny olona an-tapitrisa. Tamin’ny 21 febroary 1869 no nanaovana batisa protestanta ny Mpanjakavavy Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony. Tahaka izay efa nitranga ombieny ombieny ary hatraiza hatraiza, dia nanara-dia ny mpitondra azy Imerina, Betsileo, Antsihanaka sy ny toerana maro hafa manerana ny Nosy nankatoa an-dRanavalomanjaka. Hery goavana sady manahirana ihany koa anefa satria mampanana adidy ary miteraka andraikitra.
Hoy ny ohabolan-drazana : «Tahaka ny lamba : vao, rehareha ; madio, voninahitra ; tonta, adidy ; rovitra, andraikitra». Na koa hoe : «Veloma tsy mba adidy, sakafo lany tsy mba andraikitra».
«Teny soa, sakafo ; vava ratsy, adidy» : tsy misy afa-tsy «teny soa, sakafo» hatreto ireo fanakianana ny tsy manjary marobe mampiteny ny moana eto amin’ny firenena. «Manafintohina» anefa hono izany fiteny izany, hoy indray ny fatra-piaro ny fitondrana.
Inona no manafintohina kokoa, ny kiana sa ny zava-misy mampalahelo sy maharary ary mahamenatra ? Inona no manafintohina kokoa, ny fanontaniana mikasika ny volamena an-jato kilao nanjavona sa ny fanjavonan’ny volamena anefa tsy hay iza sy ahoana ? Inona no manafintohina kokoa ny fitarainana tsy tambo isaina amin’ny lalana sy arabe anaran-tsy very sisa sa ny tsy fisian’ny vola hikarakarana ny lalana anefa vola notangosana isan’andro am-polo taona maro tamin’ny mpividy solika ?
Ny tena manafintohina dia ny fisolelahana manara-penitra. Gazety tampenambava, radio mandainga, televiziona manafina ny zava-misy. Dia taizàna ho jamba, fahanana lainga, asesika hiteniteny foana hatrany izay filoha dedaka maivan-doha.
Fomba efa hita izay tena maha ratsy azy, saingy mbola fanaon’ireo tandapa hatrizay dimiambienimpolo taona izay. Ireo sy ny fombany no nahatonga an’i Madagasikara ho gisitra ary ny Malagasy ho fadiranovana. Izany no tena fanafintohinana fara-tampony.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja
malgaches ,travaillez et prenez de la peine ! ne comptez pas sur le gouvernement ou l'aide étrangère
RépondreSupprimer